Toekarena

Fampianarana sy fampandrosoana maharitra Manampy betsaka ny UNESCO, hoy ny praiminisitra


  • Zoma 03 Novambra 2017

Nitsidika ny masoivoho Malagasy, ny tranom-panjakana ao L’hay les roses, ary ny tranon’ny mpianatra Malagasy ao Cachan ao Paris ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier ny 1 novambra 2017.

“Efa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ary arakaraka ny enti-manana no anarenana ireny fananana ireny. Manarina isika izao ka aoka hahay hikajy izay fananam-panjakana izay satria reharehantsika ny fananana ireny, ary tombony ho antsika ny fametrahana tsikelikely ny masoivoho amin’ny toerana maro.”, hoy ny praiminisitra. Tokony hisy fomba fijery mitovy eo amin’ny mpiasam-panjakana Malagasy izay mipetraka eto Madagasikara sy ny mpiasam-panjakana miasa any amin’ireo masoivoho manerana izao tontolo izao: “Aoka, tsy hisy mpiasam-panjakana Malagasy aty ivelany manohitra ny politikam-panjakana satria ianareo no masoivoho izay natao hivoy izany”, hoy izy.  Ankoatra izay, nisy ny fandraisany anjara tamin’ny fihaonambe faha-39 tao amin’ny birao foiben’ny UNESCO ao Paris, ka nanana anjara fitenenana ny praiminisitra Malagasy. Nitafa tamin’ny mpanao gazety izy taorian’izay, ka nanambara fa « taorian’ny nivoahantsika iny krizy iny dia somary marefo ny toekarena sy ny enti-manana itondrana ny tetikasa rehetra mahakasika ny fanabeazana. Olana hita ny tsy fifanandrifian’ny fiofanana voaray sy ny asa, ary saika ny tanora eny ambanivohitra no voa mafy eo anatrehan’ny tsy fananan’asa sy tsy fahampian’ny traikefa ». Eo anatrehan’izay dia nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny UNESCO amin’ny alalan’ny CapED na ny “Programme de développement des capacités pour l’Éducation”. Fotodrafitrasa maro no tafiditra amin’izany CapED izany. Hahafahana manatanteraka ny ODD (Objectif du Developpemt Durable) fahefatra sy mametraka ny teti-pivoarana iombonana ho an’ny ny fanabeazana na ny (PSE) io. Misy koa ny tetikasa hanomezana fanabeazana sy traikefa ireo tanora eny amin’ny tontolo ambanivohitra mba hahafahan’izy ireo miatrika ny tsenan’ny asa toa ny PROJERMO. Tsiahivina fa any amin’ny 2500 ny tanora izay efa nisitraka io tetikasa io ankehitriny.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT