Toekarena

Orinasa Lazan’i Betsileo Bokan-trosa 2,6 miliara ariary


  • Talata 31 Oktobra 2017

5 volana teo ho eo no nametrahana ny mpitantana vaovao eo anivon’ny orinasa mpamokatra divay “Lazan’i Betsileo” any Fianarantsoa noho ny olana teo amin’ny fitantanana teo aloha,

 ka bokan-trosa manodidina ny 2,6 miliara ariary. Misy vondron’olona atao fitaovana hanoherana fanarenana sy ny fitantanana ankehitriny, ka tonga hatrany amin’ny resaka fanesorana ireo mpitantana vaovao ny raharaha, raha ny fanazavan’ny tale jeneraly vaovao Lydia Raharinirina. Tao ho ao dia betsaka ny fanodikondinana ny hevitry ny mpamboly na vondrombondron’ny mpiasa, ka hanaovako antso avo ho an’ireo mpamboly, fa raha tiana ny hanarina sy hanavotana ary ny hahafahana mamerina ny orinasa amin’ny ara-dalàna dia aoka tsy ho tonga amin’ny hevitry ny sasany satria tsy maintsy hatao ny fanadiovana ny orinasa, izay vao afaka mampiditra ny volany ao ny olona mitondra ny vola, hoy izy. Izay no zavatra hapetraka satria voizin’ny mpamboly sasany, hono, araka ny vaovao ren’io tompon’andraikitra io ny hoe: aiza ny volan’ny tale jeneraly teo aloha ? Tsara ny manamarika fa matoa misy 2,6 miliara ariary trosa dia misy tompon’andraikitra maro niaviany, hoy hatrany io tompon’andraikitra io. Efa mandeha ny fitsirihana lalina momba ny fihodin’ny orinasa teo aloha na ny “Audit interne”, ary aorian’izay no mety hivoahan’ny marina momba ny fitantanana tsy mazava tao anatin’ity orinasa ity. Ny fampanantenana dia ny hoe hiara-kanarina ny orinasa miaraka amin’ny mpamboly izahay; eo ihany koa ny zanaka ampielezana amin’ny alalan’ny “amicable an’ny lazan’ii Betsileo”, izay mitandro ny lazan’ity orinasa ity fatratra aty an-drenivohitra, hoy ny tale jeneraly Lydia Raharimalala.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT