Tsy mety mifarana ny fifanolanan-tany misy eo amin’ny fokonolona any Faharetana-Imerintsiatosika-Arivonimamo sy ny tambatra orinasa vahiny Bionex izay nanomboka tany amin’ny taona 2010 nahatongavan’ity farany tany an-toerana.
Isaky ny fanombohan’ny taom-pambolena tahaka izao dia mila voatsiary amin’ny fokonolona hatrany ity orinasa ity ka tamin’ny taon-dasa dia efa resin’ny fokonolona tamin’ny fitsarana natao tany Arivonimamo ary dia voarara tsy hikitikitika ny tany hifanolanana amin’ny vahoaka intsony. Nanomboka tamin’ny 19 oktobra lasa teo anefa dia nampiasa olona tamin’ny alina ity orinasa ity nametraka fefy tamboho ny tanimbary ao Morarano Faharetana izay ao anatin’ny tany 250 ha hiveloman’ny mponina avy amin’ny vohitra 7 ao anatin’ny kaominina 4 any amin’ity faritra ity (Morarano Faharetana, Imerintsiatosika, Ambatomirahavavy ary Mahereza). Very fanahy mbola velona araka izany ireo vahoaka fa tsy afaka miditra amin’ny tany famelomany aina intsony fa roahin’ny mpiambina marobe an’ity orinasa ity miaraka amin’ny alika be miisa 3. Nisy olona 9 indray aza voahendrikendrika fa nikasi-tanana ka nandratra mpiasan’ity orinasa ity ary dia notoriany. Nambaran’ny filohan’ny FITAFA tamin’ny fitarihana ny olona hidina tao amin’ity tanimbary fambolen’izy ireo ity tamin’ny alatsinainy 30 oktobra teo, fa raisin’ny vahoaka ho herisetra izao atao aminy izao satria dia tsy afaka miditra ao amin’ny taniny intsony izy ireo. Manohitra ny fanakanana azy ireo tsy hiditra hamboly ao amin’ny taniny ny mponina any an-toerana ka manambara fa antontan-taratasy diso (géocalisation sy situation juridique) no hireharehan’ity orinasa ity fa ananany. Nanatrika ny fanohizana fananganana andro antoandro ny tamboho nataony tao Antsilamanana avaratr’i Morarano ny vahoaka nitondra sorabaventy nilaza fa : “Tanin’i Madagasikara fananan’ny Malagasy”. Nisy mpitandro ny filaminana nanatrika izany noho ny tahotra amin’ny mety hisian’ny fifandonana toy ny tany Soamahamanina ka raha efa nisy ny Soamahamanina faha-2 dia mety ity raharaha ity no Soamahamanina faha-3.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.