Toekarena

Trondro ao Tsiazompaniry Nihena hatrany amin’ny 50%


  • Alatsinainy 06 Novambra 2017

Ankehitriny dia 4 taonina isan-taona sisa ny trondro azo ao amin’ny reniranon’I Tsiazompaniry, faritr’Itasy, raha toa ka 11 taonina izany teo aloha.

 Raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny jono sy ireo mpisehatra eo amin’izay lafiny izay ao an-toerana dia ny fisian’ireo mpanjono tsy ara-dalana mampiasa fitaovana tsy manara-penitra ka manimba ny tontolo iainana an-dranomasin’ireo trondro no mahatonga io fihenana io. Isan’ny fitaovana fampiasan’ireo mpanjono tsy ara-dalàna ireo ny lay misy odimoka, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza moa ireo vovonan’ny fikambanan’ny mpanjono fa efa nisy ny fanaraha-maso natao tao Itasy saingy mbola manohy ireo fomba ratsiny hatrany ireo manao izany. Miangavy izy ireo, noho izany, mba hampiharina amin’ireo izay tratra ny sazy enjana. Ny zoma teo moa dia nandraraka trondro Tilapia tao Tsiazompaniry ny minisitera mba hamonjena ny toe-draharaha.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT