Toekarena

Ady amin’ny halatra ao amin’ny ladoany 34 mianadahy no nanasonia fianianana


  • Zoma 10 Novambra 2017

Naseho ampahibemaso tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina omaly ireo 34 mianadahy izay hisahana manokana amin’ny ady atao amin’ireo karazan-kalatra rehetra mitranga ao amin’ny fadintseranana manerana ny nosintsika ao.

 
Araka ny fanazavana, dia rafitra mipetraka isan-taona eo anivon’ny ladoany izy ity ary ny fahatrarana izay halatra rehetra misy eny amin’ny fadintseranana no tanjona aminy. Maherin’ny 53 lavitrisa ariary ny tombony (surplus) voaray tamin’ny vola niditra ivelan’ny solika raha ny tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina manokana. Nidina 50% ihany koa ny fotoana famoahana entana ao amin’ity seranana ity ary niakatra 300% ny fiakaran’ny tahan’ny fampidiran-ketra. Mandra-pifaran’izao 2 volana tsy hifaranan’ny taona 2018 izao kosa dia andrasana hampiditra maherin’ny 20 lavitrisa ariary ao anatin’ny kitapom-bolan’ny ladoany ity sampan-draharaha manokana ity.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT