Toekarena

Vidin-tsolika Tokony ho vitan’ny fanjakana ny mampidina azy, hoy ny RNDC


  • Alatsinainy 06 Novambra 2017

Nivoaka tamin’ny fahanginany indray Rabetsara Lita filohan’ny fikambanana RNDC mpiaro ny zon’ny mpanjifa manoloana ny fiakaran’ny vidin-tsolika ny herinandro teo.

Nambarany fa tokony ho vitan’ny minisitera miahy ity sehatra iray ity koa ny mampidina ny vidin-tsolika toy ny nataon’ny minisiteran’ny varotra tamin’ny fidangan’ny vidim-bary teo aloha teo. Tafiditra ao anatin’izany ny fitadiavana solika moramora kokoa fa tsy hiaritra amin’ireo mpaninjara solika eto amintsika foana izay nomarihiny fa mihamaniry tahaka ny anana ankehitriny. Mila mitady vahaolana ny fanjakana, hoy izy. Tokony hojerena ihany koa ny toerana hahafahana mitrandraka solika eto amintsika ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny Malagasy. Nomarihiny manokana fa mila manao hetsika ny mpampiasa fiarakodia rehetra eto amintsika fa tsy hanaiky lembenana lava izao mba hahatonga saina ny rehetra.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT