Toekarena

Fidangan’ny vidim-piainana Tsy voafehy intsony


  • Alatsinainy 06 Novambra 2017

Ny faran’ny herinandro teo dia nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety (izay notsongaina) ny BFM tetsy Antaninarenina, mahakasika ny fampiakarana ny « tahan’ny fampindramam-bola fototra » (taux directeur). Raha ny fanazavana nentin’Andriamatoa

Andriamiharivolamena Zavamanitra, mpikaroka ara-toekarena sady mpampianatra, raha ny sata mifehy ny andraikitra iantsorohan’ny Banky Foiben’i Madagasikara no jerena dia mazava ny tokony ho tanjona tratrariny dia ny fifehezana ny fiakaran’ny vidim-piainana (inflation). Raha jerena ihany koa ireo asa notontosainy, indrindra fa tamin’ireo taona faramparany dia tsy mijanona amin’ny fifehezana ny fiakaran’ny vidim-piainana ny tanjona tratrariny fa mikatsaka ihany koa ny hampahazo vahana ny asam-pamokarana izay mitarika ny fiakaran’ny tahan’ny harinkarena faobe (PIB). Anisan’ny fomba iray lehibe ahafahany manatratra ireo tanjona ireo  ny fampiakarana na ny fampidinana ny « tahan’ny fampindramam-bola fototra » (taux directeur).

Fanapahan-kevitra sadasada ?

Raha araka ny « théorie », ny tahan’ny fampindramam-bola ambany dia miteraka fampirisihana ny olon-tsotra sy ireo orinasa hindram-bola any amin’ny banky. Manome vahana ny asa fanjifana ho an’ireo olon-tsotra sy ny asa famokarana ho an’ireo orinasa izay miteraka ny fiakaran’ny tahan’ny harinkarena faobe izany. Faharoa, ny firoborobon’ny asa fanjifana sy ny asa famokarana anefa dia mety hiteraka fiakaran’ny vidim-piainana raha tsy maharaka, ohatra, ireo entana na akora ilaina eto an-toerana na ireo hafarana avy any ivelany. Noho izany, ampidinina indray ny tahan’ny « fampindramam-bola fototra » mba hifehezana izany. Raha nahatsikaritra ny Banky Foiben’i Madagasikara  fa midangana be ny vidim-piainana eto ary mbola mety hitohy atsy ho atsy dia nanapa-kevitra ny hampiakatra ny « tahan’ny findramam-bola fototra » ho 9,50% raha 9% teo aloha. Raha ny fanapahan-kevitry ny BFM teo aloha anefa no jerena, ny volana mey 2017 dia efa nampiakatra ity « tahan’ny findramam-bola fototra »ity ny BFM ho 9% raha 8,3 % teo aloha. Tsy hita taratra mazava tsara teo amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy anefa ilay fanapahan-kevitra na teo anivon’ireo olon-tsotra na teo amin’ireo orinasa, fa vao miha niakatra aza ny vidim-piainana. Mampieritreritra ny mety ho voka-tsoa ho azo amin’ity fanapahan-kevitra farany ity. Manara-drenirano fotsiny ihany ve ny BFM manoloana ny toe-java misy ara-toekarena eto Madagasikara mba hanehoana fa manao ny asany na dia fantany tsara aza fa tsy hisy fiantraikany tsara amin’ny vahoaka malagasy izany ? Tena tombontsoa ho an’ny vahoaka malagasy maro an’isa tokoa ve ny hanaovan’ny BFM izany sa mitsinjo ny tombontsoan’ny sasantsasany na olon-kafa mihitsy aza ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT