Toekarena

Fiaraha-miasan’ny TELMA sy ny BNI Miala any ny M Vola “Avance”


  • Alarobia 08 Novambra 2017

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny banky BNI sy ny orinasa Telma amin’ny fanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro, indrindra fa ireo mpanjifany.

Ho an’ny banky BNI manokana dia nanomboka ny volana mey lasa teo izy ireo no nanaiky hiara-kiasa tamin’ny Mvola. Afaka naka sy nisintona vola malalaka  tamin’ny kaonty avokoa ( kaonty Mvola sy kaonty BNI)   ny mpanjifa nanomboka teo eny hatramin’ireo mponina any amin’ny faritra lavitra andriana tsy afaka mamonjy banky sy ireo any am-pitandranomasina. Ankehitriny, tonga amina dingana hafa ny roa tonta toy ny fahafahana manome vola maika sy tampoka ho an’ireo izay mila izany. 1.000 ka hatramin’ny 500.000 Ar ny vola azo hindramina  na ilay antsoina hoe :  M Vola “avance” .  Tsy maintsy averina ao anatin’ny 30 andro anefa io ary 9 % -n’ny vola nindramina ny sarany. Ho an’ny MVola “epargne”  kosa dia 100 Ar ka hatramin’ny 10.000.000 Ar ny vola azo tehirizina ka 2 % isaky ny telo volana ny zanany. Hiarahan’ny orinasa Telma miasa miaraka amin’ny banky BNI izy io.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT