Toekarena

Fanafoanana ny delestazy Hamokatra herinaratra 60 MW Aksaf Power


  • Alarobia 08 Novambra 2017

Notokanan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady niaraka tamin’ny minisitry ny Angovo Lantoniaina Rasoloelison sy ny filohan’ny vondrona Aksaf Power Cemil Kazanci sy Sanjeev Patel ny fotodrafitrasa mamokatra herinaratra eny Ambohimanambola.

 

 Ny volana septambra 2016 no nanombohana ny tetikasa ary ny jolay 2017, izany hoe 7 volana aty aoriana no nanomboka ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny milina miisa 11 mamokatra 6 MW avy, ka 60MW eo ho eo ny angovo mivoaka avy ao. Miteti-bidy hatrany amin’ny 80 tapitrisa dolara ity tetikasa ity. Manome 14% amin’ny famokarana eto Madagasikara izy io ary miantoka ny 24% amin’ny angovo jifaina manerana ny Nosy. Taratry ny fahavitrihan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izao, hoy ny filoham-pirenena. Fialana tsikelikely amin’ny gazoala mankany amin’ny menaka mavesatra na “Fuel lourd”. Mihena ny fanampiana hoentin’ny fanjakana amin’ny JIRAMA noho izany, ka amin’ny taona ho avy dia hihena amin’ny antsasany (50%) raha oharina ny tamin’ity taona ity, hoy ny filoha. Tany amin’ny 100MW no tsy ampy tamin’ny faran’ny taona ary efa hitantsika ny fetran’ny famokarana avy amin’ny angovo azo havaozina noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, ka ampiarahana ireo sao misy manontany hoe nahoana no mbola mifikitra amin’ny milina mandeha amin’ny menaka mavesatra fa tsy miroso amin’ny angovo azo havaozina tanteraka, hoy hatrany ny filoha. Nambarany ihany koa, fa betsaka ny fotodrafitrasa mandeha amin’izao fotoana izay  natombontsika, ka miandry ny fotoana hanaovana azy, toy ny famokarana amin’ny herin’ny rano any Volobe, Ranomafana ho an’ny any Atsinanana ; Sahahofika sy Antetezambato ho an’ny Atsimo; Ambodirotra any Avaratra any,... Hampitombo ny tolotra herinaratra homen’ny Jirama izy ity, ary koa hampihena ny fandanian’ity orinasam-panjakana ity amin’ny fifidianana solika hoenti-mamokatra izy ity, hoy kosa ny Minisitry ny angovo Lantoniaina Rasoloelison. Hatelin’ny tantara ny delestazy ary na handahatra kodiarana aza isika dia tsy izay ny vahaolana fa ny ady amin’ny halatra herinaratra, hoy izy. Marihina kosa fa mividy herinaratra amin’ny Aksaf Power ny Jirama ao anatin’ity fiaraha-miasa ity, ka toy efa eo am-pelatanany ny ain’io orinasa Malagasy io.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT