• Sabotsy 10 Febroary 2018
Toekarena.Solitany eto Madagasikara Azo avadika harena be

Anisan’ny firenena manana harena be tsy hita lany i Madagasikara, na ankibon’ny tany io na any ambony. Iray amin'ireny ny solitany izay mivadika ho solika moa avy eo.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 09 Febroary 2018
Toekarena.Air Madagascar Mbola mibaby trosa 250 miliara ariary

Mbola lavitr’ezaka ny fanarenana ny Air Madagascar satria dia mibaby trosa maherin`ny 300 miliara Ariary ity kompaniam-pitaterana ity ka 50 miliara Ariary no efa voailika, izany hoe mbola misy 250 miliara ariary tsy maintsy efaina. Tsy handoa sy hanadio ny trosan`ny kompania Malagasy akory ny tanjon` ny fiaraha-miasa eo amin`ny ``Air Madagascar`` sy ny ``Air Austral`

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 09 Febroary 2018
Toekarena.Fitomboan`ny toekarena Sao dia voarebirebin`ny tarehimarika fotsiny

Anisan`ny sehatra iray lehibe ahafahana mitaratra ny tanjaky ny firenena ny fahasalaman`ny toekarena ao aminy. Misy anefa ny fepetra tokony ho feno amin`ny lafiny maro hijerena an`izany ary ohatra amin`ireny ny fitarafana ny fomba fiainan`ny olona tsirairay ao amin`ilay firenena.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 07 Febroary 2018
Toekarena.Kaoperativam-pambolena Sahirana mitady lalam-barotra

Nisy ny atrikasa manokana ho an’ny sehatra miara-miasa amin’ny kaoperativa notontosaina nanomboka omaly ary hifarana anio etsy amin’ny Colbert Antaninarenina.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 06 Febroary 2018
Toekarena.Fampindramam-bola madinika Miha sahirana ireo mpanjifa nanomboka ny taona 2015

Nanomboka ny taona 2008 no niroborobo fatratra ny sehatra fampindramam-bola madinika (microfinance) teto Madagasikara. Tafakatra hatrany amin’ny 1 400 000 ny mpanjifa ny taona 2015 raha toa ka manodidina ny 1 000 000 ny taona 2013, araka ny statistikan’ny foibe fitantanana ny tahirim-bolam-panjakana.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 06 Febroary 2018
Toekarena.ZES-Madagasikara Mila 2 miliara dolara mahery ny fametrahana azy

Famatsiam-bola maherin`ny 2 lavitrisa dolara na 6.385 miliara Ariary no ilaina raha hametraka ny tetikasa Faritra ara-toekarena manokana na ZES eto Madagasikara ka ny faritra ao DIANA, SAVA, Anòsy ary Moramanga no hanatanterahana an`izany.

Hamaky ny tohiny
FTT