Anisan’ny mampahantra ny firenena Malagasy ny fomba fiasa sy fitantanana misy eto na eo amin’ny orinasa izany na eo amin’ny firenena. Tokony hanana drafitra maty paika ny mpitantana raha te ho lasa lavitra ary miainga amin’ny tompon’andraikitra voalohany na ny mpitarika izany.
Izy no manetsika sy mampita ny dingana tokony arahina ary tsy tokony hisy sakana raha mandray tsara ny mpiasa hoentiny. Amin’izay indrindra dia nanatona tompon’andraikitra iray teny amin’ny banky ny Gazety Tia Tanindrazana, Ramatoa Ravelonjara Mireille, Talen’ny masoivoho, nidinika momba ny fitantanana ao amin’ny ankapobeny. Hoy indrindra ny fanazavany : “ny alatsinainy maraina no fivorianay ho fanomanana ny herinandro ka itsinjarana ny anjara andraikitry ny tsirairay, eo ihany koa ny fanomezana toromarika mba hanamora sy hanatsara ny fomba fiasa. Manomana tsara ny saina enti-miasan’ny tsirairay ary mety misy fitanisana ny dingana hoarahina, ao ihany koa ny fanomanana ny fitaovana izay tena zava-dehibe satria mety hitarika fitarazohana amin’ny asa izany raha tsy lavorary. Rehefa vita izany rehetra izany dia tsy maintsy misy ny fanaraha-maso atao, tsy sanatria hoe tsy fahatokisana ny olona hoentina fa dingana hitarafana hoe: aiza ho aiza amin’ny tanjona napetraka ny fanatanterahana ny asa, mandeha tsara ve sa misy olana na sakana tokony hovahana ary tokony hipetraka tsara io fanaraha-maso io. Farany izay tsy ny kely indrindra dia ny fijerevana ny tomban’ezaka: tratra ve ilay tanjona napetraka? Inona no lesoka mety tsy nahatongavana tamin’izany ary inona no tokony hamafisina manoloana ny olana mety nisy? Mitombona io amin’ny fitantanana rehetra eny fa na dia eto amin’ny firenena aza izay hita taratra fa gaboraraka sy tsy mandeha amin’izay izy intsony.”
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.