Toekarena

Tanànan’Antananarivo Asiam-panitsiana ny tetibola 2018


  • Talata 20 Febroary 2018

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly 19 febroary ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany eo anivon’ny Filankevitra Monisipalin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), amin’izao taona 2018 izao.


 
Nanokatra ny fivoriana  ny filohan’ny filankevitry ny tanàna, ny kolonely Faustin Andriambahoaka. Haharitra 3 andro ny dinika izay hifantoka amin’ny resaka fanitsiana ny tetibola iasana amin’ity taona 2018 ity. Tsiahivina fa efa vita ny tetibola 2018 ny CUA, saingy nisy ny fanamarihana nataon’ny prefen’ny polisy, ka izay no tsy maintsy hanaovana izao fivoriana tsy ara-potoana izao, ho fandaniana ilay fanitsiana. Anisan’ny voakasika ny zo hahafahana mivezivezy, ny momba ireo Pavillon vaovao, ny 10% anjaran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny resaka OMAVET. Ankoatra izay dia nisy ny fandraisam-pitenenana nataon’ny mpanolotsain’ny tanàna, izay nangataka fanazavana momba ny isan’ny mpiasa eo anivon’ny CUA. Fantatra fa tsy nisy akory ny fampidirana mpiasa vaovao fa fandaminan-draharaha no natao mba hahazoana vokatra tsaratsara kokoa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT