Toekarena

OMDA Mampitombo ny toekarena amin’ny famoronan’asa


  • Alarobia 21 Febroary 2018

Anio no hanatanterahana ny fifampiarabana nahatrarana ny taona 2018 amin’ireo mpikambana ato amin’ny OMDA izay atao ao amin’ny Kianjan’ny Kanto etsy Mahamasina.

 

 Manana anjara toerana lehibe tokoa ny fiarovana ny zon’ny mpamorona eto Madagasikara, eran’izao tontolo izao mihitsy aza. Raha ny eto amintsika manokana dia misy karazany maro ny zava-kanto arovan’ny OMDA. Ao ny sarimihetsika, ny mozika, ny tantara, ny tononkalo ary ny sary. Ny mpamorona no tena arovana amin’izy io satria raha vao ampiasaina ampahibemaso ilay sangan’asany dia mandray avy hatrany ny zony izy ireo na ny marimarina kokoa ny karamany na ny tambin’ny fampiasana izany. Misy ny fiantraikany eo amin’ny lafiny toekarena tahaka ny famoronan’asa. Raha manao fampisehoana, ohatra, ny mpanakanto ara-mozika iray dia misy ny fitsinjaran’asa maromaro. Ao, ohatra, ny mivarotra tapakila, ny miandraikitra ny filaminana, ny fanamafisam-peo, ny mpanao ny dokambarotra, ny mpandihy sy ny feo lafika … Ankoatra izay, misy ny hetra aloa any amin’ny fivondronana na eny amin’ireny birao fandoavan-ketra ireny. Olana kosa ny fisian’ny piraty izay mahazo vahana tanteraka eto amintsika, hoy ny tale jeneralin’ny OMDA, Atoa Ranjarivo Haja noho ny tsy fisian’ny firaisankina amin’ny samy mpanakanto aloha fa eo koa ny tsy fandraisan’andraikitry ny fanjakana. Izay no antony fitotonganan’ny famoahana rakikira sy rakitsary amin’izao fotoana izao, hoy ny filoha. Raha androany no mivoaka izy ireny, ny ampitson’iny dia efa misy mivarotra piraty sahady ka miteraka fatiantoka ho an’ny mpamokatra sy ny mpanakanto mpamorona azy ary mahatonga ny fihenan’ny asa mihitsy aza. Efa nisy ny ezaka nataon’ny OMDA tamin’ny fametrahana ny brigady voatokana hiady amin’ny piraty taorian’ilay atrikasa niarahana tamin’ny mpitsara, zandary sy ny polisy teny amin’ny Espace DERA tamin’ny taona 2012. Nivoaka tamin’ny 13 febroary 2018 lasa teo ihany koa ny didim-panjakana vaovao nisolo ilay efa tamin’ny 1998 ho fampiakarana ireo zon’ny mpamorona manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana, izany hoe 20 taona taty aoriana vao nivaly ny fangatahana. Hentitra kosa Andriamatoa tale amin’ireo izay mbola manjifa ny piraty ka nilaza hoe « ny mpividy halatra dia naman’ny mpangalatra ary tsy ny mpanakanto tianao no ampandrosoinao sy velominao raha mividy izany ianao fa ireo mpanao piraty ».

Tsiry

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT