Toekarena

Vola vaovao Ritra sahady ny tahiry ?


  • Talata 20 Febroary 2018

Mahatsikaritra ny mpaka vola amin’ireny Guichet Automatique de Banque (GAB) ireny fa dia vola tranainy indray no mivoaka eny tato ho ato.

 Gaga aho, hoy Randriakoto Jeremie fa vola tranainy dimy arivo Ariary no mivoaka raha naka vola teny amin’ny GAB iray tetsy Analakely tamin’ny zoma. Nanamafy izay koa Rabarijaona Naivo fa in-droa naka vola teny amin’ny GAB teto an-drenivohitra izy tamin’iny herinandro lasa iny dia vola tranainy avokoa ny vola noraisiny. Izay tokoa ny zava-misy, hoy ity ramatoa iray tompon’andraikitry ny masoivohon’ny banky BNI iray, ary voatery nanitsy (calibrage) ny milina famoaham-bola izahay, satria tsy mitovy ny refin’ny vola vaovao sy ny vola tranainy. Inona ny zava-mitranga ? Tsy nahazoam-panazavana ny teo anivon’ny  Banky Foiben’i Madagasikara raha nanontaniana. Resaka mandeha ny hoe : ritra ny tahirin’ny vola vaovao. Ny 17 jolay 2017 tsiahivina ihany no namoahan’ny Banky Foiben’i Madagasikara ho an’ny mpanjifa sy namatsiana ireo banky samihafa ny vola vaovao 20.000Ar, 10.000Ar, 5.000Ar ary 2.000Ar. Ny 18 septambra 2017 kosa no namoahana voalohany ny ravimbola 1.000Ar, 500Ar, 200Ar ary 100Ar. Tsy miherina akory ny fotoana namoahana ireo vola vaovao ireo dia ritra sahady ? Ireo vola tranainy anefa efa tokony hanjavona tsy ho azo ampiasaina intsony. Ny tranga toy izao no ahiana hanome vahana indray ireo mpanao vola sandoka.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT