Toekarena

Banky Foiben’i Madagasikara Manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ara-bola


  • Talata 20 Febroary 2018

Nanomboka omaly tetsy amin’ny Carlton ny fivoriana nataon’ny SADC (Southern African Development Community) izay haharitra 5 andro handinihana manokana ny tetikasa napetraka momba ny informatika.

 40 ny mpizaika ary nanatrika daholo ny firenena 15 mpikambana izay nanana solontena 2 avy farafahakeliny. Mavesatra dia mavesatra ny fandaharam-potoana satria zana-kevitra 11 no dinihana mandritra izay 5 andro izay. Anisan’izany  ny fitantanana ny informatika, ny fitohizan’ny asa eo amin’ny lafiny fandraharahana (business continuity management), ny rafitra fandoavam-bola (système de paiement) iombonan’ny banky foiben’ny firenena  mpikambana ao, ny sehatra ara-bola atao amin’ny finday (mobile technologie), sns. Raha tsiahivina dia nanomboka ny  taona 2005 no niditra ho  mpikambana feno tao amin’ny SADC i Madagasikara. Toy ny vondrom-paritra rehetra dia manana ny fomba fiasany ny SADC ahatrarany ilay tanjona fiaraha-miasa sy ny fampiombonana (coopération et intégration régionale) ho an’ny mpikambana. Misy, ohatra, ny sokajy amin’ny fifanakalozana ara-barotra, ny mandinika ny tsenan’ny vola (marché financier), ny miandraikitra ny fandriampahalemana, ny politika ary farany ny fiaraha-miasa ara-bola. Amin’io fiaraha-miasa ara-bola io no nananganana vaomiera manokana itambaran’ny governora rehetra amin’ny banky foibe amin’ny firenena mpikambana ao dia ny CCBG (Committee of Central Bank Governors). Io vaomiera io kosa no manana zana-baomiera 5 indray dia ny toekarena, lalàna, fanaraha-maso amin’ny sehatry ny fampindramam-bola (supervision bancaire), ny rafitra fandoavam-bola ary farany ny informatika TIC (Technologie de l’Information et de la Communication) izay hiompanan’ny adihevitra atao.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT