Toekarena

Fanakalozana vola vahiny Manintona olona kokoa ny sehatra tsy ara-dalàna


  • Sabotsy 17 Febroary 2018

Anisan’ny sehatra tsy ara-dalana miroborobo eto Antananarivo ny fanakalozana vola vahiny eny amin’ireny olona mijorojoro tahaka ny eny Analakely sy Antsahavola ireny.

  Efa mahazatra loatra ny maheno ilay teny hoe “ sao dia hanakalo ô?” ary tsy nisy aloha hatreto ny fanakanana azy ireo nandritra ny fitondrana nifandimby fa dia tena miasa an-kalalahana tanteraka tahaka ny mpiasa rehetra izy ireo. Antony maro no mahatonga ny olona manatona ary manao fifanakalozana eny. Raha oharina ny eny amin’ny banky ohatra dia mahazo tombony kokoa ny olona raha manakalo eny noho ny any amin’ny banky satria mora kokoa ny andraisan’ny banky ny vola vahiny atakalo noho ny eny andalana noho ilay tombony (commission) mbola alain’ny banky. Manaraka izany, vetivety tsy mandany fotoana ary tsy mila taratasy tahaka ny amin’ny Banky ny manakalo eny. Raha ny eny amin’ny Banky mantsy dia mbola misy ny taratasy takiana sy fepetra tahaka ny pasipaoro sy ny hoe tsy maintsy feno 21 taona ilay mpanakalo. Mitombona ihany koa izay raha mividy vola vahiny saingy miampy tapakila fiaramanidina na taratasy fanamarinana iraka (ordre de mission) voa afaka mahazo izany. Tsy voafetra ihany koa ny vola afaka alaina sy atakalo eny amin’ireny sehatra tsy ara-dalana ireny raha toa ka ilana taratasy fanamarinana ny eny amin’ny Banky raha mividy na manakalo miatomboka amin’ny 4000 Euro na 15 624 000 Ar (1euro=3906 Ar). Ireo olon-tsotra sy mpivezivezy mankany Chine sy Thailande kosa no matetika mividy vola vahiny ary miezaka ny manangona mihitsy indrindra rehefa midina ny sandan’izy ireny . Fa mampanontany tena ihany tokoa hoe iza marina no mpanambola ambadik’izy ireny ary maninona no tsy sahan’ny fanjakana kitihana mihitsy io sehatra iray tsy manara-dalana izay mibaribary io?

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT