• Talata 04 Aogositra 2015
Sport.Lalaon’ny Nosy – Tapatapany

Filaharana: Mijanona ho lah-2 i Madagasikara amin’ny medaly azo. Lah-1 i Maorisy efa nahazo volamena 10, volafotsy 8 ary alimo 9 hatramin’ny omaly hariva, lah-2 i Madagasikara manana volamena 10, volafotsy 5 ary alimo 6 ary fah-3 i la Reunion nahazo volamena 8, volafotsy 15 ary alimo 5.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 03 Aogositra 2015
Sport.Atletisma – Lalaon’ny Nosy Nisalotra medaly volamena i Haja sy Elodie

Andriamparany Hajanirina izay nahazo medaly volafotsy tamin’ny marathon tany Seisela ny taona 2011 no Malagasy niravaka medaly volamena voalohany any amin’ny Lalaon’ny Nosy andiany fah-9 any La Réunion tamin’ny semi-marathon (21km).

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 03 Aogositra 2015
Sport.Lalaon’ny nosy tapatapany

Lanonam-panokafana : Nanamarika ny lanonam-panokafana ny fialan-daharan’ny delegasiona kaomaorianina noho ny tsy fahazakany ny filanjan’ny delegasionin’i Mayotte ny saina frantsay sy ny fihirany ny hiram-pirenena frantsay tao amin’ny kianjan’i Paul Julius Bénard St Paul.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 03 Aogositra 2015
Sport.Big Soma An’arivony ireo nanao “carnaval” fanokafana

Nahatratra an’arivony ireo nandray anjara tamin’ny “carnaval” fanokafana ny “Big Soma” natao ny sabotsy teo tany Mahajanga izay niainga teo amin’ny lapan’ny Tanàna, nandalo an’i Mahabibo ary nifarana teny amin’ny Village Touristique.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 30 Jolay 2015
Sport.Tenisy – Lalaon’ny Nosy Mpila ravinahitra 6 sy mpilalao roa avy eto an-toerana no hiady any la Réunion

Efa mazava fa mpilalao mpila ravinahitra enina sy roa avy eto an-toerana no handrafitra ny ekipa Malagasy amin’ny taranja tenisy hiatrika ny Lalaon’ny Nosy any La Réunion.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 30 Jolay 2015
Sport.Rallye ASACM

Nafohezina ny fifaninanana ary tsy an-kitsitsy Taorian’ny tsy naharaikitra ny Rallye ASACM tany Antsirabe ny tapaky ny volana jona teo dia hatao eto andrenivohitra indray ny fifaninanana

Hamaky ny tohiny
FTT