Sport

Taekwondo WTF – Fiofanana


  • Zoma 14 Aogositra 2015

Manampahaizana koreanina no manomana ny ekipa nasionaly hanao Lalao Afrikanina Mandalo mampiofana eto ireo manampahaizana avy amin’ny Taekwondo Peace Corps. Raisin’izy ireo an-tanana manokana ny ekipa nasionaly ho any Congo Brazaville.



Manampahaizana koreanina tatsimo efatra mirahalahy avy amin’ny “Taekwondo Peace Corps” no mandalo eto Madagasikara efa tonga tamin’ny 25 jolay ary eto hatramin’ny 28 aogositra. Manana ny grady 4e sy 5e dan avokoa izy ireo izay tena mbola herotrerony tokoa satria eo anelanelan’ny 21 hatramin’ny 26 taona izay ahitana an’i Kim Jin Woo, Kim Dae Won, Jeong Seong Mak ary Kim Yeng Min. Misy amin’izy ireo no tompondakan’i Korea Atsimo “open” sy ny oniversite amin’ny ady sy amin’ny “poomsae” ary mpampianatra manokana ireo ankizy. Anisan’ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny federasiona malagasy ny fanomanana ny ekipa nasionaly manomana ny ekipam-pirenena hiatrika ny Lalao afrikanina hatao any Congo Brazzaville amin’ny tapaky ny volana septambra izao. Marihina fa mpikatroka 15 mianadahy no efa nanaraka fampivondronana am-bolana maro. Sokajy valo no heverina handefasana solontena, dimy ny lehilahy ary telo ny vehivavy. Mbola hisy fitsapana sivana hatao aorian’ny herinandro ambony io ahafahana mamoaka ny lisitr’ireo mpikatroka valo handrafitra ny ekipa nasionaly. Tanjon’ny federasiona moa ny hahatafita mpikatroka amin’ny Lalao olimpikan’i Rio 2016. Marihina fa ireo mpikatroka manao ny famaranana isan-tsokajiny amin’ny fifaninanana kaontinantaly toy io Lalao Afrikanina io no hahazo ny tapakilan’i Rio.

“Mila fantatra mialoha ny isan’ireo mpikatroka hiantohan’ny fanjakana satria mbola mila hakana kara-pilalaovana sy grady iraisam-pirenena ireo mpikatroka handeha hiaro ny voninahi-pirenena”, araka ny fanamarihan’ny tale teknika nasionaly, Ramanantsoa Narinja.

Mahavoa Analamanga sy Atsinanana

Ankoatra ny fanomanana ny ekipa nasionaly handeha any Congo Brazzaville dia hanome fiofanana ireo mpikatroka eto Antananarivo ireo manampahaizana koreanina ireo ny sabotsy izao eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Aorian’izay dia hidina hanofana any Toamasina indray ny 21-24 aogositra ary mbola hiverina hanome fiofanana etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny 25-27 aogositra. Nanao tatitry ny asa efa vitany tamin’ity taom-pilalaovana ity koa ny federasiona. Tsy tonga nanatrika ny fotoana ny filohan’ny federasiona, Ramanantsialonina Andry fa nitarika ny fotoana ny filoha lefitry ny federasiona, Boto Lamina. Tazana tao koa Randrimandrato Roty tomponandraikitra misolotena ny kaonfederasiona afrikanina sy ny tale teknika nasionaly. Fifaninanana manaraka eto amintsika kosa ny “Coupe Espoir” amin’ny faran’ity volana ity sy ny fifaninanana nasionaly zandriny amin’ny volana oktobra.

Rasanda Serge


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT