Sport

Rugby Hilalao “Mondial” ireo sokajy U15


  • Sabotsy 22 Aogositra 2015

Mihetsiketsika fatratra ny rugby ho an’ny sokajy zandriny. Ankoatra ilay fifaninanana nasionaly U21 hatao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny 22-30 aogositra izao dia hisy fifaninanana fanentanana mikasika ny fiadiana ny amboara erantany hatao any Londres Angletera koa hatao ny alahady tontolo andro etsy amin’ny tempolin’ny rugby.

 


  Fifaninanana ho an’ny sokajy U15 zazalahy izy io ary baolina lalaovin’olona folo ka ekipa 20 avy amin’ireo fikambanana sy sekolin’ny rugby eto an-tanàna no hiatrika ny fifaninanana ahitana ny avy amin’ny Sekolin’ny rugby - Sekolin’ny fiainana, Pachamama, Sympa ary “Ecole de l’Ovale”. Hitondra ny anaran’ireo ekipam-pirenena 20 miatrika ny “Mondial” ary hozaraina vondrona efatra misy tarika dimy avy ireo mpandray anjara rehetra. Homena endriky ny fifanintsanana amin’ny Mondial mihitsy ny fifaninanana ka ireo voalohany isaky ny vondrona no hiatrika ny ampahefa-dalana ary mitohy amin’ny manasa-dalana sy famaranana. Nomarihin-dRafaliman­ana Berthin izay tomponandraikitra ara-teknika amin’ny fikarakarana ny hetsika fa ireo mpitsara zandriny latsaky ny 17 taona ihany koa no hitantana sy hitsara ireo lalao rehetra. Marihina fa tsy hisy amboara sy loka hiadiana akory izy io fa ny fampilalaovana sy fanentanana mikasika ny “Mondial” no zava-dehibe araka ny toromarika avy amin’ny “World Rugby” sy ny “Africa Rugby”.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT