Sport

Kitra – Fifanintsanana CAN 2017 Mahajanga no handray ny lalao amin’i Angola


  • Alakamisy 13 Aogositra 2015

Taorian’ny lalao voalohany tafiditra amin’ny fifanintsanana ho amin’ny CAN 2017 ka nandavoan’i RD Congo an’i Madagasikara tany amin’ny taniny tamin’ny isa 1-2 dia ho avy tsy ho ela,

 

 afaka tapabolana eo, ny lalao faharoa ho antsika Malagasy. Araka ny voalahatra moa dia i Angola indray no hifanandrina amintsika ka notapahana fa any amin’ny kianja Rabemananjara any mahajanga no hanaovana io fihaonana io ny 6 septambra izao. Hatreto aloha dia mbola andrasana ny mety ho endriky ny ekipa nasionaly amin’io taorian’ny tsy fahombiazana tany amin’ny Lalaon’ny Nosy ho an’ny Barea, hisy fiovana goavana ve ? Ankoatra izay nisy fikorontanana koa naterak’ilay resaka mpilalao sokajiana “ho be loha” mifanditra amin’ny federasiona. Mbola tsy voafaritra mazava koa hoe ireo mpilalao eto an-toerana sa ireo mpila ravinahitra no ho maro an’isa. Mbola tsy voafaritra mazava kosa ireo mpanazatra.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT