• Alakamisy 08 Oktobra 2015
Sport.Rallye – Tour de Tana Mitohy ny adin’i Zaza maditra sy Boom

Ekipazy 34 no handray fiaingana amin’ny Rallye iray andro « Tour de Tana » sady dingana fah-5 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara izay hatao ny sabotsy 10 oktobra izao. Tompomarika amin’ny fikarakarana ity Rallye ity ny klioba Asa Tana. Sedra manokana dimy mirefy 74,79km no voalahatra hifaninanana amin’io ary tafakatra 125,36km izany rehefa miampy ireo fampitohizan-dalana.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2015
Sport.Tenisy – Open de Toamasina Ireo sangany tafavoaka eny Ankorondrano no handeha

Hikarakara fifaninanana ivelan’Antananarivo ny federasiona malagasin’ny tenisy ho fanapariahana ny taranja sy hampitomboana isa ireo fifaninanana misy eto amintsika. Ho tanterahina any Toamasina ny 16, 17, 18 oktobra izao ao amin’ny Club Nautique ny “Open de Tamatave”.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2015
Sport.Rugby Antananarivo-renivohitra Eny Anosizato sy Alarobia indray ireo lalaon’ny sokajy D-1

Ankoatra ny fifaninanana hoan’ny sokajy D-2 sy D-3 ho tontosaina eny amin’ny kianja Sicam Anosizato ny sabotsy sy alahady izao dia handray fifaninanana hoan’ny sokajy D-1 elite II avokoa hoan’ny seksiona Antananarivo-renivohitra ny kianjan’Alarobia sy Anosizato Parc amin’ity faran’ny herinandro ity. Lalao 21 toy ny tamin’ny heriny indray no indray ho arahina amin’izany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 02 Oktobra 2015
Sport.Marathon international de Tanà andiany faha-15 Vonona ny rehetra 10 andro mialohan’ny fifaninana

Aty amin’ny 10 andro mialohan’ny fifaninana na J-10, omaly alakamisy 01 oktobra 2015, dia namerina nampiantso mpanao gazety tetsy Antaninarenina indray ireo mpikarakaran’ny hetsika Marathon International de Tana andiany faha-15 izay hatao ny faha-11 oktobra izao notarihan’ny orinas Vima na ny Vision Madagascar sy ny Fma na ny federasiona Malagasin’ny Atletisma.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 02 Oktobra 2015
Sport.Baskety – CCCOI Vonona handrombaka ny amboara indray ny ASCUT

Nambaran’ireo tompon’andraikitra mpitantanana ny klioba mpilalao baskety sy ireo mpanohana samihafa azy ary ireo tompon’andraikitra teknika sy ireo mpilalao ao aminy am-pahibemaso

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 02 Oktobra 2015
Sport.Baskety – Young Coach 1 Hitety faritany efatra ny fiofanana

Faritany efatra indray no hahazo fiofanana ho an’ireo mpanazatra “Young coach 1” manomboka amin’ity volana oktobra ity hatramin’ny tapaky ny volana desambra.

Hamaky ny tohiny
FTT