Sport

Rugby – Tompondaka eran-tany 2015 Tonga ilay andro nandrasana hanatrehana ny lalao famaranana


  • Sabotsy 31 Oktobra 2015

Tonga tokoa ilay andro nandrasana ka ho fantatra anio sabotsy alina 31 oktobra amin’ny 5 ora frantsay na 7 ora hariva malagasy ny ekipa hibata indray ny amboara eran-tany “Webb Ellis” eo amin’ny taranja rugby ŕ XV.

 



 

Marihina fa ny andiany faha-8 eo amin’ity fifaninanana ity no ho tontosaina any amin’ny kianja Twickenham anio io ka hifandona amin’izany ny All Blacks (Nouvelle-Zélande) sy ny Wallabies (Aostralia). Na dia efa diso mifankahalala loatra aza ny roa tonta dia izao vao hihaona amin’izany lalao famaranana avo lentan’ity taranja ity izany. Ny lalao farany nihaonan’ny roa tonta izay natao ny faha-15 aogositra 2015 teo dia nahitana ny fandresen’ny All Blacks an-taniny ny Wallabies 41-13. Izany hoe tonga amin’ilay fitenenana mahazatra antsika malagasy manao hoe : hanala vela izany ny Aostraliana.

Ireo mpilalaon’ny roa tonta hiakatra kianja anio :

 

All Blacks (Nouvelle-Zelande) :

1-Moody ; 2-Coles ; 3-Franks ; 4-Retallick ; 5-Whitelock ; 6-Kaino ; 7-Mc Caw (Kap) ; 8-Read ; 9-A.Smith ; 10-Carter ; 11-Savea ; 12-Nonu ; 13-C.Smith ; 14-Milner-Skudder ; 15-B.Smith.

 

Wallabies (Aostralia) :

1-Sio ; 2-Moore (Kap) ; 3-Kepu ; 4-Douglas ; 5-Simmons ; 6-Fardy ; 7-Hooper ; 8-Pocock ; 9-Genia : 10-Foley ; 11-Mitchell ; 12-Giteau ; 13-Kuridrani ; 14-Ashley-Cooper ; 15-Folau.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT