Sport

Kitra – Poule des As Tompondaka alohan’ny fotoana ny Cnaps Sport


  • Alakamisy 05 Novambra 2015

Voatazon’ny Cnaps Sport Itasy ny anaramboninahitra tompondakan’i Madagasikara

. Taorian’ny andro faha-2 alohan’ny farany amin’ny “Poule des as” dia efa fantatra sahady izany noho ny fandresena malalaka roa efa azon’ity ekipan’Ampatsakana ity. Taorian’ny nanamontsanan’ny Cnaps sport an’ny IFC (4-1) tamin’ny andro voalohany dia nandavo an’ny Ajesaia 2-0 indray ny ekipan’i Hery be ny alarobia tolakandro teo tetsy Mahamasina. Mbola nifampitady ny ekipa roa tonta nandritra ny fizaram-potoana voalohany sy ny fiandohan’ny fidirana faharoa. Efa taty aoriana be vao nahatafiditra ny baoliny roa ny Cnaps izay pao-droan’i Niasexe (72’, 83’). Mitarika malalaka amin’ny isa 6 izany izao ity ekipan’Itasy ity ary tsy hisy hahenjika io isa io intsony ireo tarika telo hafa amin’ny andro faha-3 farany. Nirava sahala 1-1 kosa ny fihaonana faharoa nifanandrinan’ny IFC Analamanga sy 3FB Atsimo Andrefana, lalao izay nialohavana iray minitra fahanginana fahatsiarovana an’i José mpilalaon’ny IFC nodimandry ny talata teo. Hita tsy tafiditra mihitsy tany am-piandohana ny ekipa mpampiantrano ka efa nanambana hatrany ny fanafihan’ny ekipan’i Toliara. Ny 3FB no nanokatra ny isa tamin’ny alalan’i Mariano (8’) ary nanasahala ny isa ny ekipan’ny kaominina tamin’ny alalan’i Mamitiana (24’). Tsy niova intsony io isa io teo am-pialan-tsasatra sy hatrany amin’ny faran’ny lalao. Ny laha-2 hatramin’ny laha-4 izany sisa hiadiana amin’ny andro fah-3 farany hatao amin’ny sabotsy izao. Izay koa vao tazana nanatrika lalao toy izao indray ny filohan’ny federasiona Malagasy Ahmad.

Rasanda Serge

Niasexe, mpanafiky ny Cnaps sport (manga)

Filaharana

1-Cnaps sport (6, +5)

2-3FB (2, 0)

3-Ajesaia (1, -2)

4-IFC (1, -3)

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT