Sport

Rugby – Top 14 Hamotaka ny adin’ny Bekintana sy Anosibe


  • Alakamisy 05 Novambra 2015

Hiato kely amin’ny ankapobeny ny fifaninanan’ny Top14 ny faran’ny herinandro izao fa lalao tokana taraiky ihany no hotontosaina eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny alahady tolakandro.

 Lalao izay hifandonan’ny samy kartie dia ny USA Ankadifotsy sy ny TAM Anosibe. Marihina fa mitana ny lah-5 vonjimaika izao ny Bekintana ary lah-6 kosa ny TAM. Mikasika ny filaharana dia mitarika lah-1 vonjimaika izao ny 3FB manana isa 33 arahin’ny IRC sy Cosfa izay samy manana isa 31. Ireo lalan’ny sokajy vehivavy sy ny Elita fah-2 no tena hameno ny fotoana ny sabotsy sy alahady izao.

Rasanda Serge

Filaharana: 1-3FB (33), 2-IRC (31), 3-Cosfa (31), 4-FTM (28), 5-USA (25), 6-TAM (24), 7-TFA (22), 8-STM (20), 9-SOE (20), 10-TFMA (18)

Fandaharandalao:

Sabotsy 7 novambra:

D2 vavy

9:00- Fanja-XV Roses

11:00-FTM-FTVL

Top8 vavy

12:00-3FB-Matadore A

1:00-SCB-Rosa

Alahady 8 novambra:

Seksion’Ant/Ren Elita 2

7:30-COSm du Syd-Cosfa

Top8 vavy

9:00-FTFA-JSM

10:30-UASC-SabNam

Elita 2: 12:00-HTAA-FTA

Top14: 1:00-USA-TAM

Elita 2: 3:00-Hiza 17-RCL Anosibe

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT