Sport

Tompondaka eran-tany Kick Boxing Medaly volafotsy 1 sy Alimo 1 no azon’ny Malagasy


  • Alatsinainy 02 Novambra 2015

Tapitra ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny taranja Kick Boxing notontosaina tany Belgrade any Serbia. Medaly volafotsy 1 sy medaly alimo 1 no azon’ireo mpilalao malagasy tamin’ny ankapobeny.

 



 
Ny volafotsy dia azon’i Mioratiana tamin’ny lalao famaranana nifanandrinany tamin’ilay Rosiana vavy, Anna Poskrebysheva. Ary ny medaly alimo izay azon’i Johny tamin’ny sokajin-danja -54kg. Tsara raha ny vokatra azon’ny atleta malagasy, hoy ny filohan’ny delegasiona, Andrianirina Briand izay sady filohan’ny federasiona malagasy amin’ity taranja ity, raha ny haavo teknika hananan’ireo mpifanandrina manoloana an’itony fifaninana avo lenta itony sy nanoloana ny fitsarana nitanila matetika nataon’ireo mpitsara lalao no asian-teny. Tena tsara fanomanana ny ekipam-pirenena malagasin’ny Kick Boxing.  Ny talata hariva amin’ny 3ora sy 10mn no ho tonga eny Ivato ny Ekipam-pirenena. Ambara moa fa raha tsy misy ny sampona dia hatao eto Madagasikara ny fandraisana ny “championnat d'Afrique de kick Boxing” ny 19-27 jona 2016.

Fa tetsy an-kilan’izay kosa teto an-tanindrazana dia nanatanteraka ny fiadiana ny ho tompondakany tetsy amin’ny Kianja Mitafon’i Mahamasina omaly tamin’ny alalan’ireo lalao niisa 60 latsaka kely notanterahiny teo amin’ny ringa 2 ny ligin’Analamagan’Analamanga eo amin’ity taranja ity.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT