Sport

Rugby – Tompondaka eran-tany Lasan’ny All Blacks fanintelony ny amboara


  • Alatsinainy 02 Novambra 2015

Nahery ny All Blacks avy any Nouvelle-Zélande teo amin’ny famaranana ny ho tompondakan’ny lalao Rugby ŕ XV nototonsaina tany Twickenham ny sabotsy 31 oktobra alina teo

. Lasan-dry zareo fanintelony ny amboara lehibe Webb Ellis raha lavony 34 noho 17 ny Wallabies Aostraliana. Tena lalao mendrika ny famaranana tokoa ary nahafinaritra tanteraka no nasehoan’ny roa tonta. Tena  niady dia niady hatramin’ny farany izany lalao izany fa nanaporofo ’izany ny isa 3-3 nandritra ny fotoana naharitra teo am-panombohan’ny lalao 14 ‘. Somary nampiseho fahamatorana sy fahaiza-miaraka niavaka kosa ny All Black tamin’ny ankapobeny  ka ry zareo no nitarika 16-3 ry zareo teo am-pialantsasatra. Tonga dia lasa 21-3 izany vao nanomboka kely fidirana faharoa vao nihananatona tsikelikely ny isa azon’ny Wallabie 21-17. Mbola nanantena mafy ny hivadihan’ny raharaha teo ny mpankafy lavalava saingy notapahan’I Dan Carter mpitsara baolin’ny All Blacks tamin’ny drop nataony teny amin’ny 40 metatra ny nofinofin’nyrehetra ka lasa 27-17 ny isa ary mbola narahin’i Barrett tamin’ny baolina nentin-tanana 1 m tsy hiravan’ny lalao izany ka lasa an’io 34-17 io. Azo ambara fa ity Dan Carter ity izay tsy nandilatra fitsarana baolina afa-tsy indray mandeha monja no “l’homme du match” tamin’ity fihaonana ity.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT