• Alakamisy 08 Martsa 2018
Sport.Champions League any Eoraopa Manchester City 1 – Bâkle 2, Totteham 1 – Juventus 2

Manchester City 1 – Bâkle 2, Totteham 1 – Juventus 2. Ireo no vokatry ny lalao miverin’ny 1/8n-dalana notanterahina omaly alarobia alina tany Espagne sy tany Angletera ka nahatafakatra an’i Manchester City sy ny Juventus

Hamaky ny tohiny
  • Talata 06 Martsa 2018
Sport.Horonantsary « Jeune fille au ballon ovale » Hatolotra manonkana eto Antananarivo ny 8 martsa 2018

Tao anatin’ny lanonana fifanaovana sonia fanavaozana fiara-miasa nifanaovan’ny “Association Terres en Mêlées” sy ny banky Malagasy BFV-SG tetsy amin’ny IFM Analakely omaly alatsinainy 05 martsa 2018 no nampahafantaran’ireo tompon’andraikitra fa halefa manontolo eto Antananarivo hoan’ireo olona notsongaina aloha ny horonantsary fanadihadiana « Jeune fille au ballon ovale »

Hamaky ny tohiny
  • Talata 06 Martsa 2018
Sport.« Tournoi de Pâques 3FA 2018 » Ho lalao nasionaly kely mihitsy

Karazana fifaninana nasionaly kely mihitsy ny fifaninanana « Tournoi de Pâques 3FA 2018 » niantsoan’ny mpikarakara an’ireo solontenan’ny klioba eto Analamanga niara-nifampidinika taminy teny amin’ny salle polyvalente Sabotsy Namehana ny sabotsy 03 martsa 2018 lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 05 Martsa 2018
Sport.Baolina kitra Ligue 1 Analamanga Mbola mitarika an’isa ny As Adema

Mitohy ny fandresena tsy miato azon’ny As Adema eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga amin’ny taranja baolina kitra sokajy Ligy 1 fa mbola nandresy ny Tanà Formation 2-0 indray izy ireo teo amin’ny andro faha-3 omaly alahady 4 martsa tetsy Mahamasina. Mbola ity ekipan’ny Seranana Ivato ity, araka izany, no mitana ny laharana vonjimaika ankapobeny hatreto.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 05 Martsa 2018
Sport.Rugby Seksiona Antananarivo-Renivohitra Tompondakan’ny sokajy D-1 Elite II ny 3Fai

Ny 3Fai Ambalavao Isotry tantanan-dRtoa Rakotonirina Raissa no voahosotra ho tompondakan’ny seksionin’ny rugby eto Antananarivo-Renivohitra raha nandavo ny Cosm du Sud Anosibe 17-06 omaly teo amin’ny lalao famaranana natao tetsy amin’ny kianjan’i Malacam Antanimena.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 05 Martsa 2018
Sport.Basket « Coupe du Président » Zône Centre Lavon’ny Cospn 70-60 ny Mb2All omaly tao Toamasina

Ny Cospn Analamanga no voahosotra ho tompondakan’ny Zône Centre eo amin’ny fifaninanana hahafahana miatrika ny Play Off any Toliara amin’ny fiadiana ny “Coupe du Président” amin’ny taranja baket-ball andiany faha-4.

Hamaky ny tohiny
FTT