Sport

Lomano – Tompondakan’i Afrika Medaly 12 no voan-dalana nentin’ny Malagasy nody


  • Alatsinainy 26 Martsa 2018

Medaly 12 be izao ka ny 2 volamena, ny 5 volafotsy ary 5 hafa alimo no voan-dalana nentin’ny mpilomano Malagasy nandray anjara tamn’ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika faritra faha-4 notontosaina tany Malawi ny 21-24 martsa 2018.

 

 Efa tafaverina an-tanindrazana omaly alahady 25 martsa i Stéphane sy John Rakotomavo sy i Murielle Tiana Henintsoa Barijaona ary i Holy Antsa Rabejaona solontena Malagasy niatrika ny fifaninanana. Firenena 14 aty Afrika no ao anatin’ny zône 4 dia i Angola, Afrika Atsimo Botsoana, Kaomoro, Lezoto, Madagasikara, Malawi, Maorisy, Mozambika , Namibia, Seisela, soazilandy, Zambia ary i Zimbaboe. Avy hatrany dia hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny dobo filomanosana lehiben’ny ANS Ampefiloha izy ireo amin’ny 28-31 martsa ho avy izao.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT