Sport

Kitra - Ligy Matsiatra Ambony Nahemotra ny fiadiana ny tompondaka


  • Zoma 30 Martsa 2018

Noho ny fifidianana filohan’ny ligy tsy mbola vita sy araka ny taratasy voaray avy amin’ny federasiona izay milaza fa ny ligy am-perinasa ihany aloha no manohy ny asa mandrapahavita ny fifidianana sy ny famindrana asa, dia ny faran’ny herinandro lasa teo, 24-25 martsa,

no tokony ho nanomboka ny fiadiana ny tompondakan’ny ligin’ny baolina kitra Matsiatra Ambony taom-pilalaovana 2018 saingy noho ny fandaminana nisy dia nahemotra amin’ity faran’ny herinandro ity, ny 31  martsa sy 01 aprily 2018 izay fanombohana izany. Mba hahatrarana ny fe-potoana napetraky ny FMF dia lalao mandroso ihany no atao ka ireo efatra voalohany no manohy manao ny "Poule des AS" avy eo. Izay voalohany mahazo isa maro no misolo tena ny ligy amin’ny tompondaka nasionaly.

Kianja roa no ilalaovana dia ao Ampasambazaha Fianarantsoa sy ao amin’ny kianjan’Ambalavao.

Marihina manokana  fa nivarina any amin’ny D-2  ny FC CORBOT Ikalamavony sy ny AS VONA Ambohimahasoa, ka  naka ny toerana nisolo azy  ireo kosa ny Maria Manajaka FC sy ny VAS-Y Boaikely izay samy avy ao Fianarantsoa.

Kianja Ampasambazaha - 31 martsa 2018

11:00-FC B # FC LAM

13 :00-Zanakala FC # Le Relais F

15 :00-AS Jirama # Maria Manjaka FC

Kianjan’Ambalavao - 01 aprily 2018

13:00-SUCA Foot #  Akon'Ambatomena

15:00-FOMELA Club # VAS-Y Boaikely

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT