Sport

Kung fu Wisa feno 38 taona Manambatra ny hery hanasoavana ny firenena


  • Talata 27 Martsa 2018

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-38 taona nijoroany teto Madagasikara ny Kung fu Wisa amin’ity taona ity ka nisy ny hetsika lehibe notanterahana tany Tsiroanomandidy ny faran’ny herinandro teo ka nahavory mpiangaly ity haiady ity manodidina ny 4 000.

 

 Nisy ny filaharambe natao namakivaky ny tanàna izay nahitana ny solontenan’ny mpanao Kung fu avy ao amin’ny faritra Bongolava. Nitarika ny hetsika ny Grand Maitre Avoko sy ireo mpitantana ny Kung fu wisa eto Madagasikara. Nanotrona ity fotoan-dehibe ity ihany ko ireo manampahefana tao an-toerana nahitana ny solombavambahoaka sy ny ben’ny tanànan’i Tsiroanomandidy sy ny avy amin’ny fitondrana foibe notarihan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Ny Grand Maitre Avoko sy ny filohan’ny federasionina Malagasin’ny Kung fu moa no nitarika ny hazakazaka manodidina ny tanàna ary nofaranana tamin’ny kabary nifandimbiasana sy ny fampisehoana Kung fu izany. Fotoana iray io nampatsiahivana ny tantaran’ny Kung fu nandritra ny 38 taona niainany ary namerenana indray ny fomba nampidiran’ny Grand Maitre Pierre be io haiady io teto Madagasikara tamin’ny taona 1980. Raha ny fanisana farany moa dia manodidina ny 12 000 ny mpiangaly ity haiady ity ao amin’ny faritra Bongolava izay nanamafy ny fahavononan’izy ireo hitondra ny anjara birikiny amin’ny fametrahana ny filaminana sy fandriampahalemana eto amin’ny firenena. Nanamafy ihany koa izy ireo fa mangataka ny firotsahan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimpianina amin’ny fifidianana manaraka ho avy eo ary hanohana azy amin’ny ezaka ataony ho amin’ny fampandrosoana ny firenena. Mikatsaka hatrany ny mahasoa ny Malagasy ny mpanao Kung fu, hoy ny hafatra tany Tsiroanomandidy ka voalohany amin’izany ny fametrahana ny fandriampahalemana mba hahafahan’ny rehetra miasa sy mamokatra ao anatin’ny fitonian-tsaina.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT