Sport

Ekipan’ny PSG Maniry ny hiantsoana an’i Zidane i Neymar


  • Zoma 30 Martsa 2018


Nilaza tao amin’ny fandaharana fahitalavitra Espaniola iray “El Chiringuito” ilay kalaza Breziliana amin’ny baolina kitra lafo indrindra eran-tany Neymar fa mba hahafahany mijanona ao amin’ity ekipa ity amin’ny taom-pilalaovana manaraka dia mametraka fepetra ny amin’ny mpitantana ny PSG izy ny mba hiantsoana an’ilay mpanazatra frantsay Zinedine Zidane hanolo an’i Unai Emery ao aminy.


 

 

Tenisy – Roland Garros 2018

Tsy handray anjara i Roger Federer

Noho ny faharesena azony nanoloana an’ilay Aostralianina Thanasi Kokkinakis (3-6, 6-3, 7-6 [4]) teo amin ‘ny fanombohana ny Masters 1000 tany Miami ny sabotsy 24 martsa lasa teo dia mbola nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin’ny fifaninanana Roland Garros 2018 ilay kalaza Soisa Roger Federer, 36 taona. Nambarany fa aleony mifantoka amin’ny fanazarantena hiatrehana ny fifaninanana Wimbledon izay izy aloha hatreto no mitana ny anaramboninahitra amin’izany.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT