Sport

TOP 6 de l’Océan Indien Nomontsanin’ny Cosfa Malagasy 67-7 ny Mahorais


  • Alatsinainy 26 Martsa 2018

Nomontsanin’ny mpilalao rugby Malagasin’ny Cosfa 67-7 omaly alahady 25 martsa tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny ekipan’i Mayotte rugby. Hita ho navesatra dia navesatra ireo mpilalao vahiny ka tsy nahatohitra ny hazakazaka nataon’ny mpilalao Malagasin’ny Cosfa.

EFa nitarika 48-0 ny Cosfa teo am-pialantsasatra. Marihina fa tafiditra amin’ny fiadiana ny amboaran’ny TOP 6 aty amin’ny Oseana Indiana ity fifaninanana ity ka mbola hisy ny lalao miverina hifanaovan’ireto ekipa roa tonta ireto any Mayotte amin’ny 8 aprily ho avy izao. Tsiahivina fa miaraka amin’ny St Paul avy atsy La Réunion ny Cosfa sy Séléction Mayotte ao amin’ny vondrona A amin’ity fifaninanana ity. Ny ekipan’ny Ftm manjakaray kosa dia iray tarika amin’ny Etang Salé La Réunion sy Curpipe Maurice ao amin’ny vondrona B ary efa nandresy ny Curpipe Maurice 47-3 tamin’ny 17 martsa teo.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT