Sport

Baolina kitra - « Tournoi de Pâques 2018 » Vonona ny mpikarakara sy ireo kianja ary ireo klioba


  • Talata 27 Martsa 2018

Saika efa tonga eny Ambohipanja avokoa, toerana nokarakarain’ny ekipan’ny 3FA mpikarakara handraisana azy ireo, ireo ekipa avy any amin’ny faritra samihafa eto amin’ny nosy (Analamanga, Vakinankaratra, Betsiboka, Itasy,

Bongolava Alaotra Mangoro, Boeny) afa-tsy ny Ascuf izay niala an-daharana tamin’ny fotoana farany, hiatrika ny fifaninanana “Tournoi de Pâques 2018” eo amin’ny taranja baolina kitra lalaovin’olona 11 ho an’ny sokajy U 23 sy U 20 ary U 17 sy sokajy Vehivavy. Misy koa ny “Foot à  9” ho an’ny sokajy U 10, U 13, U 15, izay hotanterahina eto Antananarivo eny amin’ny kianjan’ny kaominina Ankadikely sy eny amin’ny kianjan’i Sabotsy Namehana ny 27 martsa - 01 aprily izao. Efa vonona tanteraka ny fikarakarana rehetra, hoy Rakotonirina Harison Philibert filohan’ny 3FA omaly teny Ankadikely ary efa vita omaly alatsinainy ihany koa ny dinikasa sy fizaram-bondrona an’ireo mpandray anjara rehetra. Ny kianjan’i Sabotsy Namehana no handray an’ireo lalaon’ny sokajy U 23 anio talata 27 martsa. Eo amin’ny kianjan’Ankadikely Ilafy nohavaozina kosa no hanatanterahana ny lanonam-panokafana sy filaraharan’ireo mpandray anjara rehetra rahampitso alarobia 28 martsa maraina sy hanombohan’ny lalaon’ny sokajy U 17 sy sokajy vehivavy. Ny alakamisy 29 martsa kosa no  hiaka-tsehatra ny sokajy U 20 sy ireo katitakely hanao “Foot à 9”.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT