• Alakamisy 21 Febroary 2019
Sosialy.Ora-mikija sy rano miakatra Traboina ny any Atsimon’ny Nosy

Faly sahirana ny mponina any Atsimo Andrefan’ny Nosy noho ny oram-be tsy nifankahitana nateraky ny haratsian’ny toetr’andro vokatry ny tangoron-drahona matevina.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 21 Febroary 2019
Sosialy.Traboina Ambanin’Ampamarinana Nialan’ny fitondrana ny fitsaboana ireo Marary

Very fanahy mbola velona ! Nimenomenona ireo traboina napetraka eny Andohatapenaka, nalaza fotsiny tany am-boalohan’ny loza ireo mpitondra, hoy izy ireo, fa nanjavona ny fandraisan-tanana amin’ny fitsaboana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 20 Febroary 2019
Sosialy.Besarety, Soarano, Mahazo 20 miliara ariary ny tetibola hanadiovana ireo lakandrano

Manohy manadio ny lakandrano ao Besarety ny Boriborintany faha-3 eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

Hamaky ny tohiny
  • Talata 19 Febroary 2019
Sosialy.Karama farany ambany 200 000Ar Tsy nisy resaka intsony

Vao tonga eo amin’ny fitondrana dia hakarina ho 200 000 Ar ny karama farany ambany, hoy i Andry Rajoelina tamin’ny adihevitra nifanaovany tamin’i Marc Ravalomanana tamin’ny 16 desambra 2018.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 19 Febroary 2019
Sosialy.AMPITATAFIKA ATSIMONDRANO Hanatanterahana ilay tetikasan’ny filoha ihany koa

Kaominina maro no hosahanin’ilay tetikasan’ny filoham-pirenena hotanterahina eto amintsika. Ankoatra ny eny amin’iny faritr’Ivato iny dia anisan’ny voakasika ihany koa ny eny Ambohidrapeto Itaosy, Ambohitrimanjaka, Ampitatafika …

Hamaky ny tohiny
  • Talata 19 Febroary 2019
Sosialy.Fepetra vonjimaika ny amin’ny delestazy Nampitomboina avo roa heny ny tahirin-tsoliky ny JIRAMA

Manoloana ny fahatapahan-jiro lavareny izay nahatonga fahatezerana sy fingerongeronana tamin’ny maro tato ho ato dia nisy ny fiaraha-midinika tambony latabatra nataon’ny minisitra sy ny tompon’andraikitra tao amin’ny JIRAMA ary ireo mpiara-miombon’antoka misehara amin’ny solika rehetra.

Hamaky ny tohiny
FTT