Sosialy

Soarano Maimbo tsy azo hampiasaina ny ranon’ny JIRAMA


  • Alatsinainy 11 Martsa 2019

Maimbo tsy azo hampiasaina ny rano vatsian’ny JIRAMA eny Soarano (Antananarivo I) amin’izao fotoana izao.

 

 

 

 

Raha araka ny fitarainan’ireo mponina dia efa ho iray volana izao no niainana izany hany ka betsaka ireo voatery nampiato ny asa fivelomany. Anisan’ireny ny mpanao volo izay tsy maintsy mampiasa rano mba hanasana ny lohan’ireo mpanjifa. Tsy nionona fotsiny tamin’izao ny mponina araka izany fa nampiantso ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny JIRAMA. Nitondra santionany tamin’ny tavoahangy tamin’izany ireto farany raha ny vaovao farany mba hanaovany fitsirihana saingy tsy nisy valiny hatramin’izao. Miantso ny fandraisana andraikitra haingana hataon’ny JIRAMA araka izany ireo mponina eny Soarano. Efa namaly ny mahakasika ity rano maimbo eny Soarano ity ihany moa ny JIRAMA izay fantatra mitovy tranga amin’ilay rano maloto mandeha eny amin’ny paompy ihany koa. Saika vokatr’ireo fantsona efa antitra sy mihakely avokoa no antony mahatonga izany, fitaovana efa tsy nisolo am-polo taonany maro. Tsiahivina moa ho an’ireo mponina eny Soarano fa voatery mamorom-bola hividianana rano efa voavoatra amin’ny tavoahangy manokana izy ireo mba handrahoana sakafo; izany hoe mietombo ny fandaniam-bola isan’andro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT