Sosialy

Vary avy any Pakistan Manjaka ny kolikoly, poizinina ny Malagasy


  • Alakamisy 07 Martsa 2019

Raha ny angom-baovao marim-pototra natao dia manodidina ny 320 taonina ny vary nohafarantsika avy any Pakistan tamin’iny volana febroary iny, saingy ny antsasa-manilan’ireo dia efa simba (brisures) hatrany amin’ny 25% avokoa.

 

 

 Misy an-jatony taonina koa aza efa tsy azo hanina intsony raha ny lalàna any Pakistan satria manana fahapotehana 100% mihitsy sy lokoina mavomavo na menamena, izay sakafo natokana ho an’ny biby, nefa mbola aondrana eto amintsika ihany ka afangaro amin’ireo vary lazaina fa tsara. Mitampi-maso ny fanjakana Malagasy mandritra izany satria manjaka ny kolikoly. Raha io angom-baovao marim-pototra io ihany dia misy orinasa enina eo no tena mpanao azy io eto amintsika izay any Pakistan ny foiben’izy ireo, dia ny orinasa K.K Rice Mills Ltd, Jhulay Lal Parboileb Rice Mill, SM Entreprises, Girdharilal Manghwani, Kangore Traders ary ny orinasa Meskay and Femtee. Tsy vitan’izay fa saika mitsoaka ny fandoavan-ketra eto amintsika ireo orinasa ireo amin’ny famonoana ny orinasa teo aloha ary manangana orinasa vaovao indray amin’ny anarana teratany Malagasy, saingy ny tompony tsy miova fa mbola ireo teratany Pakistais ihany ao ambadika, izay misy an’Atoa isany D. Rai sy G. Paryani, M. Dodai, J. Manghwani, A. Kumar sy A. Ummati, ary S. Abbasi. Ankoatra izay dia misy teratany Malagasy, olom-panjakana ary olom-boafidy teo aloha, mpiray tendro amin’izy ireo amin’izao fanadiovam-bola hafahafa amin’ny fitsoahana fandoavan-ketra amin’ny fanovana anarana ny orinasa fanafarana vary eto amintsika izao, ka sady mihinam-bary natokana ho an’ny biby raha ny lalànan’ny varotra Pakistanais   ny Malagasy, no tsy tafiditra ihany koa ny volam-panjakana amin’ny alalan’ny hetran’ny tombombarotra azo amin’ny vidim-bary tokony haloan’izy ireo eto amintsika. Tsy voalohany ity tranga ity fa efa nisy tra-tehaka ny vary simba tao Toamasina saika mbola haparitaka amidy erak’i Madagasikara.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT