Sosialy

Faritra Atsimo Andrefana Mila fotodrafitrasa famatsian-drano 15 000 isa


  • Alarobia 06 Martsa 2019

Inona ireo vokatry ny fandinihana sy ireo fikarohana teo amin’ny sehatry ny rano, fahadiovana ary ny fidiovana any Atsimon’ny Nosy ?

 

Ahoana no atao mba hampifanaraka ireo asa hahazoan’ireo mponina any an-toerana ny rano fisotro madio sy ny fidiovana ? Hanao ahoana ny hoavin’iny Atsimon’i Madagasikara eo amin’io sehatra io ? Ireo foana no fanontaniana mipetraka raha vao ny faritra Atsimo no resahina, indrindra eo amin’ny sehatra ny fampandrosoana. Iny tapany Atsimo iny izay manana taha ambany indrindra amin’ny fahazoana rano fisotro madio, noho ny fisian’ny hain-tany lava any an-toerana, hany ka lasa fanamby lehibe ho an’ireo mponina ny fahazoana rano fisotro madio izay. Fotodrafitrasa famatsian-drano miisa 15.000 no mbola ilaina, vao ho tratra ilay tanjona handrakofana rano fisotro madio ny 85%-n’ny any an-toerana, hatramin’ny taona 2030. Mbola olana lehibe eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio eto Madagasikara, indrindra eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Mbola ambany ny tahan’ny fahazoana izany satria latsaky ny 50% ihany no misitraka azy. Ho an`Antananarivo, miisa 5 ireo faritra tena manana olana ary efa itadiavana vahaolana maika ankehitriny, hoy ny minisitry ny rano sy ny angovo ary ny akoran'afo, Vonjy Andriamanga. Anisany ny eny Ambohimangakely sy ny eny Ambohitrarahaba, izay efa manomboka ny fandinihana momba ny fametrahana “forage”. Nilaza kosa ny minisitra, Vonjy Andriamanga, fa hanao ezaka ny fanjakana mba ho Malagasy iray tapitrisa isan-taona no hisitraka rano fisotro madio, maharitra ary amin’ny vidiny mirary. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny DLC Anosy moa ny herinandro eran-tany ho an’ny rano.

 

Marigny A. sy Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT