Sosialy

Loton’ Antananarivo Ilàna vahaolana maharitra sy mahomby


  • Alatsinainy 11 Martsa 2019

Iaraha-mahita ny fahamaroan’ny fako sy ny loto eto Antananarivo renivohitra ary tena tokony hijerena vahaolana mihitsy ny amin’izany mba ho tombony.

 

 

 Betsaka mantsy ny Malagasy miakatra aty an-drenivohitra noho ny fitadiavana ka mandoto sy mahabe ny fako eran’ny tanàna ary tsy mahagaga raha tanàna fahatelo maloto indrindra Antananarivo renivohitra. Tsy lazaina intsony koa ny fahazaran-dratsy manipy fako etsy sy eroa ary zary tsy mahataitra intsony ny mahita olona manao sy manary ny lotony eny amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany. Tsy miara-dalana ihany koa ny fanjakana foibe sy ny tanànan’Antananarivo izay antony mampikatso an’Antananarivo satria tsy misy ny fiaraha-miasa matotra ny amin’ny fitondrana foibe sy ny ben’ny tanàna noho ny olana ara-politika; tsy vao izao io fa efa am-polo taonany. Tsy vitan’ny hoe lany vola fotsiny amin’ny fanadiovana ny tompon’andraikitra fa mihemotra tanteraka ireo mpandraharaha sy  mpampiasa vola noho ny ny zava-misy. Manaratsy endrika ary manome sary ratsy ho an’ny firenena ity rano be amin’ny lalana sy ny fitohanan’ny fiarakodia lavareny ity. Manoloana ny fitobahan’ny loto dia tokony hisy ivon-toerana fanavahana (centre de tri) fako eto Antananarivo. Ao amin’izany no atokana ny fakon’ny sakafo (déchets alimentaires), ny tavoahangy plastika sy taratasy ka ahodina indray hanamboarana angovo tahaka ny biogaz ohatra. Rehefa izay dia entanina ny olona ary hampandraisina anjara mavitrika ka homena ny angovo mifanentana amin’ny lanjam-pako afaka ahodina hentiny. Amin”izany mantsy dia mahazo tombony daholo na ny mponina na ny kaominina satria tsy vitan’ny hoe madio ny tanàna fa tsy hiparitaka ihany koa ny valan’aretina ary afaka hanaovana tetikasa hafa toa ny hopitaly na sekoly ny tetibola fanalana fako. Mihena ihany koa araka izany ny fandaniana ataon’ny tokantrano ary voaaro ny tontolo iainana satria tsy mividy kitay sy arina intsony rehefa mahandro sakafo noho ilay biogaz. Na eo aza izany rehetra izany dia ilaina mihitsy ny fahatongavan-tsainan’ny Malagasy mba hanaja ny fahadiovana satria raha tsy mandoto fotsiny dia efa naman’ny manadio sahady.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT