Sosialy

Biraom-pokontanin’Antaninandro Ampandrana Nohavaozina 90%


  • Zoma 08 Martsa 2019

Notokanana ny maraina teo ny biraon’ny fokontany Antaninandro Ampandrana, izay nohavaozina 90 % ny trano sy ny fitaovana tao aminy.

 

 

Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny talen’ny kabinetran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Aina Stelanony, izay nisolotena ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana. Teny ihany koa ny lefitry ny distrika sy ny delegen’ny boriborintany fahatelo, Hery Razafintsalama, ary ny sefo fokontany ao an-toerana sy ny sefo fokontany 33 manerana ny boriborintany. Anisan’ny sangany eto Antananarivo Renivohitra ity fokontany ity, hoy ny talen’ny kabinetran’ny CUA , ka ilaina ny fanajana ny fotodrafitrasa. Ny asa natao dia nanavao ny trano, nasiana trano fidiovana sy fivoahana ary nanavao koa ireo fitaovana rehetra tao amin’ity biraom-pokontany ity, hoy izy. Angady nananana sy vy nahitana ny ezaka ny fikambanambe iray tantanina zanak’ity fokontany ity ihany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT