Sosialy

Pilaonina mitsangana etsy Andohatapenaka Manahy ny hoavin’ny taranany ireo mponina


  • Talata 12 Martsa 2019

Efa ho roatokom-bolana amin’izao fotoana izao no nitsanganan’ny pilaonina iray etsy Andohatapenaka, raha ny fanazavan’ny sefo fokontany ao an-toerana.

 

 

 

 Tsy manaiky ny fitsanganan’izy io ireo fokonolona eny an-toerana, raha ny voambara sy nijoroan’ny solontenan’izy ireo vavolombelona. Nisy tokoa, hoy ny lehiben’ny fokontany ny taratasy fampilazana nataon’ny tompon’ny toerana misy ilay pilaonina mikasika ny tetikasa ifanarahany amin’ny orinasa manao izany teto anivon’ny fokontany saingy ny alalana ahazoany manangana ilay izy no tsy mazava. Nisy moa ny fivoriana nifanomezan’ny tompon-tany tamin’ireo solontenam-pokonolona teny an-toerana omaly saingy tsy tonga ilay tompon-tany. Manahy ny hoavin’ny taranakay manoloana ny zava-misy izahay, hoy ireo mponina, satria, araka ny fanazavan’ny tekinisianina momba itony pilaonina itony dia mety misy fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny manodidina ny fitsanganan’ny foto-drafitrasa tahaka itony. Misy sekoly sy hopitaly manodidina io pilaonina io ary araka ny andininy faha 8 ao amin’ny didim-pitondrana nivoaka teo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana dia toerana marefo ny filaza ireny ka tsy tokony hananganana pilaonina izany. Manao antso avo ny tompon’ny tany noho izany ireto mponina ireto, amin’ny maha zanaky ny fokontany ity farany, mba tsy hanangan-javatra manimba ny mpiara-belona aminy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT