• Alatsinainy 20 Aprily 2020
Sosialy.Ady amin'ny Coronavirus any Toliara Ireo sahirana ara-pivelomana indray no nisitraka fanampiana

Ireo sahirana ara-pivelomana ao antampon'ny tanànan'i Toliara indray no nisitraka ny fanampiana avy amin'ny fanjakana izay natolotry ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena no sady ministr mpiahy ny Faritanin'i Toliara, Atoa Tinioka Roberto, tamin'ny zoma 17 aprily 2020. Vatsy nahitana vary sy savony no natolotra tamin'izany.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 20 Aprily 2020
Sosialy.Fizarana Vatsy Tsinjo Mitohy ny fimenomenomana

Ny an'Andavamamba Ambilanibe, nozaraina teny amin'ny EPP Anosipatrana. Ny teny Ambohitrarahaba nimenomenona ny vahoaka fa misy manao kiantranoantrano.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 20 Aprily 2020
Sosialy.Alain Ratsimbazafy “Misy tambazotra manodina ireo fanampiana ho an’ny vahoaka”

Manomboka tsy mahazaka ny fihibohana ny vahoaka satria tsy ampy azy ireo ny enti-manana hiatrehana izany, hoy ny depiote voafidy teny amin’ny distrikan’Atsimondrano, Alain Ratsimbazafy.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 18 Aprily 2020
Sosialy.Andoharanofotsy sy Ambohijanaka Tratra ilay mpanodinkodina fanampiana

Tratra tao Andoharanofotsy sy Ambohijanaka ireo entana nahodina izay tokony ho zaraina ho an'ny vahoaka. Vary 2 taonina ao anaty gony milanja 25 kg,

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 18 Aprily 2020
Sosialy.Ambondrona Lasa fanariam-pako ny elakelan-trano

Asa na vokatry ny coronavirus izay niteraka ny fihibohana na fanararaotana tsotra izao hoy ireo mponina eny Ambondrona misy ireo elakelan-trano maro samihafa fa lasa kamo manary fako eny amin’ny daban-jaoridira napetraky ny kaominina ny mponina sasany eny an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 18 Aprily 2020
Sosialy.Fizarana fisotroan-dronono Nilamina ny andro voalohany

Nanaja ny fandaminana napetraky ny polisy ireo zokiolona naka vola fisotroan-dronono teto an-drenivohitra ary tsy nahitana fifanosehana na fihetsika mihoa-pefy fa tena nanara-dalàna tokoa izy ireo,

Hamaky ny tohiny
FTT