Sosialy

Ihosy Mitaraina ireo mpanondrana omby


  • Alarobia 10 Jona 2020

Mitaraina ireo mpandraharaha mpanondrana omby alefa anaty fiarabe fitaterana mankany Toamasina ankehitriny noho ny fantiantoka mihoapampana mahazo azy ireo noho ny hafitsoky ny « barrage sanitaire » mihazo an’iny faritra iny.

 

 

 Tena kivy tanteraka ary efa nanana eritreritra ny hampihato an’izany fandefasana omby any Toamasina izany ry zareo ato ho aty nefa miankina amin’ny fivoriana hataon’izy ireo rahampitso alakamisy 11 jona 2020 no handraisana fanapahan-kevitra hentitra. Nomarihan’ireto mpandraharaha ireto fa 5 andro katroka ankehitriny vao tonga any Toamasina ny fiara lehibe mitondra omby noho io sakana ara-pahasalamana io raha telo andro izany teo aloha. Be ny vesatra mianjady amin’izy ireo araka izany sady ireo omby ihany koa tsy hahatanty an’izany fotoana ela loatra izany.

 Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT