Sosialy

Malagasy niasa tany Koweit Ho tonga eny Ivato anio


  • Alatsinainy 08 Jona 2020

Anisan` ireo Malagasy misedra fahasahiranana taorian` ny fampiatoana ny sidina ana habakabaka sy an-dranomasina ireo nila ravinahitra tany Koweit.

 

 


 

Manodidina ny 164 isa izy ireo no napetraka taminà ivon-toerana vonjimaika. “Efa mipetraka avokoa ireo fepetra handraisana azy ireo” hoy ny CCO Covid-19 omaly. Tsy maintsy mandalo fitiliana sy fihibohana mandritra ny 14 andro ao amin` ireo hotely roa handray azy ireto teratany Malagasy ireto. Nanome toromarika mba hanakonana ny tarehin’ireo olona vao tonga amin’ny famohana azy ireo amin’ny fampahalalam-baovao ny manam-pahefana.Hatramin` ny nanombohan` ny krizy ara-pahasalamana, teratany Malagasy maro no sahirana noho ny fanakatonana sisin-tany. Tsy manana toerana hiantsonana ireo tantsambo miisa 700 izay miparitaka aminà fari-dranomasina maro samihafa. Ny fanjakana Malagasy moa dia hametra rafitra sy rindrandamina hahafahana mampody ireo teratany Malagasy tavela any ivelany. “Sivana apetraka ao anatin'ny fandrindrana izao fampodiana azy ireo izao ny toe-java misy iaianan’ izy ireo tsirairay avy any amin` ny firenena mandray azy ireo”

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT