Efa tena mivadika ho biby ny olombelona. Dadabe iray niaraka tamin’ny zafikeliny roa tany Iaboketraka atsinanana kaominina ambanivohitra Ambararatabe distrikan’i Tsiroanomandidy ny alarobia lasa teo no nodoran’ny vinantolahiny velona tao an-tranony.
Tokony ho tamin’ny 08 ora alina teo no nitrangan’ny loza. Vinantolahin’ny dadabe ihany no nahavanon-doza, izay fantatra fa vao 23 taona monja raha 8 sy folo taona ireo ankizy nodorany. 76 taona kosa ilay Dadabe izay tsy afa-nivoaka tao amin’ilay trano noho ny fidin’izany avy ety ivelany.. Na izany aza anefa dia tsikaritry ny mpiambina ny tanàna ity lehilahy ity teo am-pandorana ilay trano izay marihina fa tafo bozaka, misy rihina iray. Nandositra ity farany vokatr’izany saingy tsy lasa lavitra dia tratra. Tany ambony rihina moa no nahitana azy telo mianaka izay efa maty kilan’ny afo tanteraka. Raha ny fantatra hatrany moa dia olana ara-tokantrano teo amin’io lehilahy nandoro io sy ny zanak’ilay dadabe no fototra nanaovan’itsy voalohany izao vono olona mahatsiravina izao. Tsy tao an-toeran moa a ilay vehivavy zanak’ilay Dadabe tamin’ ny andro nitrangan’ny loza io fa nandeha nitady vola ivelan’ny tanana. Niaiky ny heloka vitany moa ity lehilahy ity izay tsiahivina fa nifandrombahan’ny fokonolona sy ny zaza mena ihany koa ka namoy ny ainy.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.