Naneho ny hafaliany teo anatrehan’ny fiovan-kevitry ny fanjakana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Tanàmasoandro eny Ambohitrimanjaka ny mponina ny sabotsy teo.
Ny 3 jona teo raha tsiahivina no nanazavan’ny minisitra lefitra misahana ny tanàna vaovao Atoa Zasy Angelo, fa volabe no mety ho lanin’ny fanjakana ao anatin’ny fanotofana an’io, ary sarotra ny fandresen-dahatra ireo tompon-tany hatrany amin’ny 9000. Mbola miandry ny valin`ny fanadihadiana mifandraika amin`ny sosialy sy ny tontolo iainana ihany koa moa.Tsy ilay tetikasa Tanàmasoandro no toherina fa ny fanotofana ny tanimbary hiveloman’ny vahoaka, hoy ny solontenan’ny mponina, izay nisaotra ny sehatra samihafa, toy ny Firaisamonim-pirenena, CNIDH, SIF, CRAAD-OI, Mode Justice, mpanao politika, olon-tsotra,…. Nankasitraka ny antenimierandoholona, ireo depiote,… izay nanohana sy niady ny mba tsy hanotofana io lemak’i Betsimisaraka ihany koa. Etsy an-kilany, dia nifamotoana ny vatan-dehilahy ho an’ireo kaominina miisa 4 Ambohitrimanjaka, Fiombonana, Ambohidrapeto, ary Ankazomanga tamin’ny fanajariana ny lakandrano manondraka an’i Betsimitatatra. Vatan-dehilahy 150 no tonga nanao asa tànamaro ho fananganana ny barazy 200m eny an-toerana ny faran’ny herinandro teo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.