Sosialy

Malagasy tavela any ivelany Miomana hampody azy ireo ny fanjakana


  • Alatsinainy 08 Jona 2020

Namoaka fampitam-baovao omaly ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Malagasy fa hampody ireo Malagasy any ivelany maniry ny hiverina an-tanindrazana.

 

 

Mihaotra ny 1 200 ireo teratany Malagasy nihitsoka tany ivelany ka miaina ao anaty fotoan-tsarotra taorian` ny fanakatonana ny sisin-tany ny 19 martsa lasa teo noho ny aretina Covid-19. Fanamby lehibe atrehin'ny Firenena maneran-tany ankehitriny ny famongorana ny valan’aretina Covid-19, hoy ny fanambarana. Nampahatsiahy moa ny minisitera fa nandray ny andraikiny rehetra hahatongavana amin’izany koa ny fanjakana Malagasy nanomboka ny 20 martsa 2020. Ny Fitondram-panjakana malagasy dia hametraka haingana araka izay azo atao ny rafitra sy rindrandamina hahafahana mampody ireo teratany Malagasy tavela any ivelany noho ny fanelingelenana sy ny tranga izay iainan'izy ireo hatramin'ny fampiatoana ny sidina ana habakaka sy an-dranomasina. Sivana apetraka ao anatin'ny fandrindrana izao fampodiana azy ireo izao ny toe-java misy iaianan’ izy ireo tsirairay avy. Ampanarahana ny fepetra ara-pahasalamana ny fampodiana, hoy hatrany ny fanambarana. Hatreto dia mihoatra ny an'arivony ny mpiray tanindrazana miaina ao anaty fotoan-tsarotra ka voasoratra anarana eto anivon’ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny. Ny famerenana azy ireo dia mitaky fahatomombanan’ny fampitaovana, hametrahana azy ireo amin’ny toerana mihiboka izay voaara-mason’ny Fanjakana sy hahafahana manara-maso azy ireo ara-pitsaboana. Tsy midika ho fisokafan’ny sidina mankaty Madagasikara io, hoy ny fanamarihana, ary mbola mipetraka ny fepetra rehetra mifandraika amin’izany.

Marigny A sy J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT