• Alakamisy 25 Martsa 2010
Politique.Marc Ravalomanana : «Tsy mila ra mandriaka aho»

Ankoatra ny resaka filatsahan’ny sazy ho an’ireo mpanongam-panjakana, dia nasian’ny filoha Ravalomanana teny ihany koa ny momba ny fiampagana azy ho namadika tanindrazana sy ny ho fiverenany eto Madagasikara, raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazetin’ny RFI izy.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 25 Martsa 2010
Politique.Tanora MFM : Miantso ny hamotsorana tsy misy fepetra an’i Solohery Hilaire mivady

Taonjato maro no efa nivalona fa tsy mbola nisy toy izao teto Madagasikara, hoy ny Tanora Mivondrona ho an’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara na ny T/MFM.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 25 Martsa 2010
Politique.Ambohitsorohitra : Misy manampahefana tsy tafiditra an-dapa

Mbola ao anatin’ny fikorontanana tanteraka ny eo anivon’ny mpitondra tetezamita amin’izao fotoana satria manomboka tsy mitovy tsara intsony ny hevitra. Mihena isan’andro ny olona atokisan’ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina, ary araka ny tsilian-tsofina re dia voafetra ihany koa ireo tompon’andraikitra ambony afaka mihaona sy miresaka aminy eny Ambohitsorohitra na Iavoloha.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 24 Martsa 2010
Politique.Faritra Vatovavy Fitovinany : Mihozongozona ny toeran-dRakamisilahy Martial

Mihazakazaka ny fandehan-draharaha taorian’ireny atrikasa Teny Ifampierana nataon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita teny Ivato ny 4 sy 5 martsa ireny sy ny nilatsahan’ny sazy avy amin’ny Firaisambe Afrikanina, tamin’ny alalan’ny filankevi-pilaminan’ny Firaisambe Afrikanina, ny 17 martsa teo, mahakasika tompon’andraikitra miisa 109 ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, sakana amin’ny fampiharana ny vahaolana hamahana ny krizy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 24 Martsa 2010
Politique.Nanohana ireo depioten’ny Kaongresy : Nivoaka ny fonja omaly ireo voasambotra teny Tsimbazaza

Nivoaka ny fonjan’Antanimora omaly tamin’ny mitataovovonana ireo sivy mianadahy, fito lahy sy vavy roa samy 18 taona eo avy, mpomba ny ankolafy telo : Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana, nigadra taorian’ny savorovoro nitranga teny Tsimbazaza ny talata 22 desambra 2009, andro voatondro fa hanaovan’ny Kaongresin’ny tetezamita ny fivoriany savaranonandro.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 24 Martsa 2010
Politique.Fanasaziana Tsy ho afa-maina ireo niray petsapetsa, hoy ny GTT

Miisa 109 ireo manampahefana sivily sy miaramila voalazan’ny filankevi-pilaminan’ny Firaisambe Afrikanina (CPS) fa hiharan’ny sazy eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
FTT