Politique

Fanasaziana Tsy ho afa-maina ireo niray petsapetsa, hoy ny GTT


  • Alarobia 24 Martsa 2010

Miisa 109 ireo manampahefana sivily sy miaramila voalazan’ny filankevi-pilaminan’ny Firaisambe Afrikanina (CPS) fa hiharan’ny sazy eto Madagasikara.

Notondroina ho sakana amin’ny tsy fahatanterahan’ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba ireo olona ireo. Sazy telo karazana moa no hihatra amin’izy ireo, araka izay tapaky ny CPS. Eo ny fanagiazana ny kaontim-bolan’izy ireo manokana amin’ny banky any ivelany any, ny tsy fahafahany mivoaka an’i Madagasikara satria tsy hahazo “visa” intsony, ary ny fitokana-monina. Mba hahombiazan’ny sazy, hoy ny vondrona GTT dia tokony tsy hijanona eo amin’ireo tompon’andraikitra mivantana ny fanonganam-panjakana fa hitatra hatrany amin’ireo niray petsapetsa sy nanohana ireo mpanongam-panjakana. Noho izany dia hanao ny lisitr’ireo mpandraharaha ara-toekarena tompon’antoka, nanohana izao fitondrana izao tamin’ny alalan’ny varotra tsy ara-dalàna niarahan’izy ireo nanomboka ny 23 martsa 2010 ny CPS, araka ny loharanombaovaon’ny GTT. Mety hiharan’izany sazy izany avokoa na teratany Malagasy, na karana, na sinoa, na koa eoropeanina.

Eo ny fakana ireo fananany manokana, ny fampiatoana ny asam-barotra rehetra, fandrarana ireo mpandraharaha tsy hanondrana na hanafatra entana. Eo amin’ny resa-bola dia hogiazana ihany koa ny volan’ny mpiray petsapetsa ireo eny amin’ny banky any ivelany, araka izay fifanarahana iraisam-pirenena natao tany Genève mikasika ireo mpitrandraka sy ireo mpanongam-panjakana. Eo koa ny fampiatoana ireo fifanarahana rehetra amina orinasa vahiny; ankoatra izay ny famerenan’izy ireo ny harena rehetra azony tao anatin’ny fotoana tsy ara-dalàna. Momba ny lalàna indray dia angatahin’ny GTT ny fanafoanana ny zo rehetra maha olom-pirenena ireo voasazy, ny taratasy fisamborana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mba hanakanana azy ireo hivezivezy any ivalany, ny fanagadrana azy ireo ho an’ny teratany Malagasy ary ny fandroahana hiala eto Madagasikara kosa ho an’ireo teratany vahiny. Araka izany dia torohevitra naroson’ny GTT ho an’ireo mpandraharaha mbola te hanohy ny asany eto Madagasikara. Dia ny tsy tokony hanohanan’izy ireo intsony ireo mpanongam-panjakana, raha tsy izany dia ho isan’ireo hiatrika ny fitsarana iraisam-pirenena sy ny fitsarana eto an-toerana izy ireny.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT