Ankoatra ny resaka filatsahan’ny sazy ho an’ireo mpanongam-panjakana, dia nasian’ny filoha Ravalomanana teny ihany koa ny momba ny fiampagana azy ho namadika tanindrazana sy ny ho fiverenany eto Madagasikara, raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazetin’ny RFI izy.
«Vonona mandrakariva hanampy ny fireneko hivoahany amin’izao krizy izao aho(…). Andry Rajoelina no nahatonga ny firenena anaty krizy lalina toy izao ary dia mihantsy ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy ankehitriny amin’ny alalan’ny fikarakaraka fifidianana samirery any Madagasikara. Izany no nahatonga ny Vondrona Afrikanina nampihatra ny sazy ho azy sy ho an’ireo rehetra nanohana azy (…). Zava-dehibe raha toa ka manohana sy manaraka ny Vondrona Afrikanina ny Vondrona Eoropeanina sy ny Firenena Mikambana hanohana sy hanamafy ny sazy mihatra amin’ireo mpitondra tsy ara-dalàna(…) hatramin’ny fotoana haneken’izy ireo fikarakarana fifidianana malalaka iraisan’ny rehetra» : santionany tamin’ny dinika nataon’ny filoha teo aloha, Ravalomanana tamin’ny Radio France International ireo.
Mba ahazoana ny fanafoana-tsazy, hoy i Marc Ravalomanana dia mila manaja ny fifanarahana nosoniaviny tany Maputo sy Addis Abeba niaraka tamin’ireo filohana ankolafy telo i Andry Rajoelina. Nifanaiky izahay, hoy izy, fa hamerina ny demokrasia sy ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara, ao anatin’ny fanarahana ny dingana amin’ny fampihavanam-pirenena. Nifanaiky izahay fa hanangana governemanta fampiraisam-pirenena izay hotarihin’ny praiminisitra Mangalaza Eugène. Iraka manokana iandraiketan’izany governemanta iraisana izany, araka ny fanazavan’i Marc Ravalomanana ihany, ny hikarakara fifidianana malalaka sy marina, iarahana misalahy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Saingy tsy nanaja ny teny nomeny i Andry Rajoelina. Tokony hiitatra amin’ireo mpandraharaha teratany sy vahiny manohana azy ny sazy, raha ny fanazavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana satria rehefa tsy afaka hivezivezy intsony izy ireo dia mety hifantoka bebe kokoa amin’izay laharam-pahamehana mahasoa ny firenena.
Raha toa ka vonona hanao fifidianana malalaka sy marina, iarahan’ny rehetra izy ireo dia apetraka ny tsy fitovian-kevitra fa hiara-hiasa izahay hamerenana ny demokrasia sy ny ezaka rehetra hanarenana ny firenena. Tsy tianay ho ohatra ratsy aty Afrika i Madagasikara eo amin’ny lafiny demokrasia sy fitantanan-draharaha satria te handray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Afrika izahay, hoy ihany izy ary dia mijery anay izao tontolo izao. Tetsy an-danin’izany dia voaresaka ihany koa ny fiampagan’ny FAT azy ho namadika tanindrazana. Nanamafy i Marc Ravalomanana fa tsy matahotra izany. Nambarany fa afaka miverina eto Madagasikara izy, rehefa tonga ny fotoana. Nambarany fa misy ireo miaramila manohana azy saingy tsy mila ra mandriaka ny tenany.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.