Politique

Faritra Vatovavy Fitovinany : Mihozongozona ny toeran-dRakamisilahy Martial


  • Alarobia 24 Martsa 2010

Mihazakazaka ny fandehan-draharaha taorian’ireny atrikasa Teny Ifampierana nataon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita teny Ivato ny 4 sy 5 martsa ireny sy ny nilatsahan’ny sazy avy amin’ny Firaisambe Afrikanina, tamin’ny alalan’ny filankevi-pilaminan’ny Firaisambe Afrikanina, ny 17 martsa teo, mahakasika tompon’andraikitra miisa 109 ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, sakana amin’ny fampiharana ny vahaolana hamahana ny krizy.

Taorian’izay dia fisokafan’ny governemanta sy ireo andrimpanjakana no nambara sy nampanantenain’i Andry Rajoelina fa hatao. Namaritra tetiandro ny kolonely Camille Vital, fa hajoro alohan’ny faran’ny volana martsa izao ny governemanta misokatra. Mandra-piandry izany anefa dia zavatra hafa indray no re. Mandeha be ny feo tato ho ato fa mety hisy fanoloana ireo lehiben’ny Faritra sasantsasany, ary toa voakasik’izany ny ao Vatovavy Fitovinany, Rakamisilahy Martial. Araka ny loharanom-baovao dia adminisitratera sivily no hasolo azy. Efa misy anarana mandehandeha any, ary voatonontonona amin’izany ny anaran-dRandrianjaka Marcel, Sekretera jeneralin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany fony i Koto Bernard, lehiben’ny Faritra. Zanaky ny Faritra ihany Randrianjaka Marcel, avy ao Vohibola Vohipeno ary Tale eo anivon’ny Primatiora lefitra misahana ny atitany.

Tsy atao mahagaga raha tonga amin’izany fanoloana olona izany, hoy ny mpanao politika iray ao Manakara tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana. Teo am-piandohana, hoy izy, dia efa niteraka olana teo amin’ny samy mpikambana eo anivon’ny Komity Miaro ny Demokrasia ao Manakara ny fanendrena an-dRakamisilahy Martial ho Lehiben’ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Disadisa miotrika mandraka ankehitriny ary vaky ambatolampy aza nandritra ireny fikaonandoham-paritra notanterahina ny 30 jona, 1, 2 ary 3 jolay 2009 ireny.
Tao Manakara ny talata 02 jona no natao ny lanonana fametrahana amin’ny fomba ofisialy an-dRakamisilahy Martial ho lehiben’ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Ny hamerenana amin’ny laoniny ny seranan-tsambon’i Manakara no anisan’ny fanambiny saingy tsy tontosa izany hatreto.
 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT